Andininy Protestanta Malagasy 1 Ary rehefa vitan'i Jesosy izany teny izany, dia niala tany Galilia Izy ka nihazo ny làlana teny an-dafin'i Jordana, dia tonga tany amin'ny sisin'i Jodia. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E4CB65B-5CCE-416D-9715-DA312AB7FD76 2 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy, dia nahasitrana azy teo Izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F704944D-47F0-4CB8-95C8-EF5FB1CCF4E2 3 Ary nisy Fariso nanatona Azy, dia naka fanahy Azy hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy noho izay rehetra entiny iampangany azy na inona na inona? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4539931-2930-488C-BE7A-D1604639A433 4 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izay nahary azy tamin'ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy (Gen.1.27), ka dia nanao hoe: qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF9D453B-D136-4D80-9009-2E393EB89F69 5 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa (Gen.2.24)? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1826FBB4-96D5-4AE7-99AF-C51C2CD8C07F 6 ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa amin'izany, izay nampiraisin'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|166BFB13-03A5-4655-B555-80A9E3C94EB6 7 Hoy ireo taminy: Nahoana ary Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy? (Deo.24.1). qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34DB752E-303C-495E-BA6C-5C56CC334472 8 Ary hoy Jesosy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no namelan'i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin'ny voalohany dia tsy mba toy izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEB8E981-4182-44E8-9C14-DE4C0F102B4B 9 Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga; ary izay mampakatra ny voasaotra dia mijangajanga koa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71CB0ABF-9260-4F47-9EE3-2656EA6D8B14 10 Dia hoy ny mpianatra taminy: Raha izany no toetry ny lehilahy amin'ny vadiny, dia aleo tsy manambady. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2A2CDE3-58DD-4ADE-ADA0-38803F14F6C3 11 Fa hoy Izy taminy: Tsy ny olona rehetra no mahay mandray izany teny izany, fa izay nomena ihany; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8FC0823-1678-4910-A3A3-E1AFAFDC9321 12 fa misy ionoka, izay teraka ionoka hatrany an-kibon-dreniny; ary misy ionoka, izay nataon'ny olona ionoka; ary misy ionoka, izay nanao ny tenany ionoka noho ny fanjakan'ny lanitra. Aoka handray izany izay mahay mandray. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3AA86F2D-1710-4BE7-9EBD-8F07C1A1582B 13 Ary tamin'izany dia nisy zazakely nentina teo amin'i Jesosy mba hametrahany ny tànany sy hivavahany ho azy; fa ny mpianany niteny mafy ireny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|743E7FE6-E5D6-4334-9155-AA34BC56BCD6 14 Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza rarana tsy hanatona Ahy; fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D53DA28-5E95-431D-811C-21918C4E28C2 15 Ary nony nametraka ny tànany taminy Izy, dia niala teo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|856F407B-8D75-4914-84BE-870FB4F74011 16 Ary, indro, nisy anankiray nanatona Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CC7B170-7BD5-456E-9324-1BFC1B724351 17 Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana hianao, tandremo ny didy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A51DC49-C40D-437A-9048-DDF9B7771261 18 Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12AC7A5F-A911-47E3-BA72-23873DF954E6 19 Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks.20.12.16), ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev.19.18). qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7379E871-4B6D-4378-8F70-20C482ECF482 20 Hoy ilay zatovo taminy: Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54820D65-7B23-490D-841A-3775EE380F1D 21 Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka hianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|454A58F0-E11E-4540-B1FA-5D5C9234B87C 22 Fa nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin'alahelo izy, satria nanana fananana be. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F45349AF-2BA3-4E3C-85E1-148227F1C840 23 Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'ny lanitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE178ADB-6328-49AB-84B8-8FA852CB241C 24 Ary hoy Izaho aminareo indray: Ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20294D7F-B1B9-4398-A403-F949BCC542AA 25 Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Iza indray no azo hovonjena? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA2AD32C-6E81-4E9B-9B93-1AF255B921B0 26 Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain'ny olona izany fa hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04CDE05E-38D0-47AF-B94F-ABA064C5B0E5 27 Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao; koa inona ary no ho azonay? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEFB44EB-449A-4468-BBAC-45B53587D1F0 28 Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin'ny fanavaozana, ka hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny ny Zanak'olona, hianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin'ny seza fiandrianana roa ambin'ny folo ka hitsara ny firenen'Isiraely roa ambin'ny folo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|631F68B0-E3B0-4663-92D1-9CD7F177D704 29 Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|470AD6C7-B2DD-4D46-B624-DDD7C06180B5 30 Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91E9096D-CCE9-4999-A129-478526DB0C5B
|