Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema an'i Jodia, tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|279094E2-0ABA-42D8-A60C-6CFEBCA669D4
2
Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan'ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|143F2996-8B03-4E6E-8EB3-303394880F64
3
Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin'i Jerosalema rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DE08B04-FE2A-40B0-891C-AD61EE72069A
4
Dia namory ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin'ny vahoaka izy ka nanontany azy hoe: Aiza moa no hahaterahan'i Kristy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A724A820-7859-4597-91F5-18C37CFECBC6
5
Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema an'i Jodia; fa izao no voasoratry ny mpaminany:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F47C1C9-7F7C-41D2-91E0-DB4CCDC54D03
6
Ary hianao, ry Betlehema, tanin'ny Joda, tsy dia kely indrindra ao amin'ny andrianan'ny Joda hianao tsy akory; Fa avy ao aminao no hivoahan'izay anankiray ho Mpanjaka, Ka Izy no ho Mpiandry ny Isiraely oloko (Mik.5.1).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D4AB863-4431-4090-96A2-1F0D337629D9
7
Dia nampaka ny Magy mangingina Heroda ka namototra fatratra taminy izay andro nisehoan'ilay kintana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE89F4B3-C10A-4383-9F69-DF974A48EA32
8
Dia naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe : Andeha, fotory tsara ny amin'ilay Zazakely ; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6737AA18-8522-4017-81BC-C5285B14C292
9
Ary rehefa nandre ny tenin'ny mpanjaka izy ireo dia lasa ; ary, indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin'izay nitoeran'ny Zazakely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|793501E5-68F6-4683-BE19-0D3FD2239E9F
10
Ary nony nahita ny kintana izy, dia nifaly indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9CC3B5F-B721-48F5-A042-3A67B991032E
11
Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany ; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB6239B3-E53D-4FAD-8A91-33F563248854
12
Ary rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy tsy hiverina any amin'i Heroda, dia làlana hafa no nalehany nody ho any amin'ny fonenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E55DF5F-5482-4B87-9251-D2AFA1764440
13
Ary nony efa lasa nandeha ireo, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny nofy ka nanao hoe : Mifohaza hianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BFC079E-937D-4338-8B08-62D10AD373D5
14
Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, raha mbola alina, dia lasa nankany Egypta ;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1807DA5E-4EB1-4131-A496-9FF175AFC784
15
ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin'i Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain'i Jehovah ny mpaminany hoe: Nantsoika hiala tany Egypta ny zanako ( Hos. 11.1)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8DCD994-30B0-42A9-8BB7-3F3DEEAA0149
16
Ary nony fantatr'i Heroda fa voafitaky ny Magy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazalahy rehetra hatramin'ny roa taona no ho midina, izay tao Betlehema sy tamin'ny manodidina rehetra araka ny andro izay nofotorany fatratra tamin'ny Magy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1C3B34F-2E28-446A-8395-4FA8CABF7123
17
Dia tanteraka izay nampilazaina an'i Jeremia mpaminany hoe :
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75587793-A7FE-43A4-B3E7-5FB2C301C05D
18
Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra ; Rahely nitomany ny zanany, ary tsy azo nampiononina izy, satria lany ritra ireny ( Jer. 31.15)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3E12583-342F-4FE3-8EE1-749BEACD2114
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany