Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa ho any an-tanimboalobony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0938B93A-C9D2-4C28-BBA6-EC86080653CA
2
Ary rehefa nifanekeny tamin'ny mpiasa fa ho denaria isan'andro ny karamany, dia nasainy nankany amin'ny tanimboalobony ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E894F8E-6629-4C0B-95FB-847F9FAB7227
3
Ary nivoaka tamin'ny ora fahatelo izy, dia nahita ny sasany nitoetra foana tany an-tsena,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE155AC5-2F26-4417-9ADB-3A6BCFAD9279
4
ka hoy izy taminy: Mandehana koa hianareo hankany amin'ny tanimboaloboka, fa izay an-keviny marina dia homeko anareo. Ka dia lasa ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7C14B18-3DEA-4762-A4C5-FEA1C7FE7077
5
Ary nivoaka tamin'ny ora fahenina ny fahasivy indray izy ka nanao toy izany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|823FC868-E70E-4BA4-B5CE-82D4A3BEFE2B
6
Ary rehefa tokony ho tamin'ny ora fahiraika amibin'ny folo dia nivoaka izy ka nahita ny sasany mitoetra eo, dia hoy izy taminy: Nahoana hianareo no mitoetra foana eto mandritra ny andro?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A68377F7-7EEA-4E9B-86BB-CFDCB5325872
7
Hoy izy taminy: Satria tsy nisy olona nanakarama anay. Dia hoy ralehilahy taminy: Mandehana koa hianareo mankany amin'ny tanimboaloboka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CDDFE56-50B7-4C59-BD48-FE0A5119F63C
8
Ary rehefa hariva ny andro, dia hoy ny tompon'ny tanimboaloboka tamin'ny mpitandrina ny raharahany: Antsoy ny mpiasa ka aloavy ny karamany: atombohy amin'ireo taoriana ka vao hatramin'ireo voalohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91403C22-75C6-48E2-9C76-5D2D763CC986
9
Ary rehefa tonga ireo nokaramaina tamin'ny ora fahiraika ambin'ny folo, dia nahazo denaria misesy avy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44CBA360-556E-4110-B8DE-7A011A4A2A1B
10
Fa rehefa tonga ireo voalohany, dia nanantena hahazo mihoatra izy; kanjo samy denaria misesy avy ihany no azony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0273247-A411-4C7C-A567-4DAB2414BD6D
11
Ary rehefa nahazo izany izy, dia nimonomonona tamin'ny tompon-trano ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67CAEE1E-C040-4973-A1EC-0FBB4878D4D6
12
Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay, izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hainandro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D02CBBC-BC8F-4871-9517-1B9E1A02A9E8
13
Fa izy namaly ka nanao tamin'ny anankiray amin'ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CB818B6-97DC-4253-898A-E5A6D48B80E7
14
Raiso ny anao, ka mandehana; fa ilay farany dia tiako homena toraka ny anao koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|484573FA-5B84-48EB-9FAB-54494B6970F6
15
Tsy mahazo manao izay tiako amin'ny ahy va aho? Ratsy va ny masonao, satria tsara aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF15B55E-3CC8-4FE9-AD3C-3B434BC7BB02
16
Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA9D489F-0A4A-4F91-949C-08DBE1D40963
17
Ary Jesosy, nony niakatra ho any Jerosalema, dia naka mangingina ny mpianatra roa ambin'ny folo lahy ka niteny taminy teny an-dàlana hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B1958DD-56EF-4F85-B73E-E250403BFEDD
18
Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak'olona hatolotra ho amin'ireo lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hohelohiny ho faty Izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FC9AD57-914E-4A68-869B-F07E2846DA93
19
ka hatolony amin'ny jentilisa mba hataony ho fihomehezana sy hokapohiny sy hohomboany amin'ny hazofijaliana; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|666B5322-6BA0-49ED-97EE-51B57003FE57
20
Ary tamin'izany dia nanatona an'i Jesosy ny renin'ny zanak'i Zebedio mbamin'ny zananilahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FBDFCCF-6677-475E-A54A-25D024F0908E
21
Ary hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan'ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny ankavianao, ao amin'ny fanjakanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1345F935-8031-4939-BA5D-18B49A35004B
22
Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin'ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy izy roa lahy taminy: Hainay ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58389EBD-955F-4745-A7E7-FA4FF8E2D1DE
23
Hoy kosa Izy taminy: Hisotro amin'ny kapoakako tokoa hianareo; fa ny hipetraka eo an-tànako ankavanana sy eo an-tànako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay nanamboaran'ny Raiko izany no homena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|058524C4-7E98-4818-915D-3555DEDAF5EC
24
Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon'izy mirahalahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54B19F69-6250-43D2-96BE-C58C04722FC2
25
Fa Jesosy niantso azy hankeo aminy ka nanao hoe: Fantatrareo fa ny andrianan'ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9DE0548-1B04-4E6B-9FE6-8FCE4318CC35
26
Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9769FD84-14CE-4081-9682-7235908C120D
27
ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20770F06-A9C6-4884-9B47-1D77AF796AE7
28
Fa tahaka izany, ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|105879F8-5AED-4FAB-B0AE-D21CD927A118
29
Ary raha niala tao Jeriko izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka an'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BC264BE-4CA4-4663-BB6F-A4CB9CF8C6AD
30
Ary, indreo, nisy jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dàlana, ary nony reny fa Jesosy no mandalo, dia niantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak'i Davida ô!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C01AF20-5E22-4A58-B695-CA008F1D77B4
31
Ary ny vahoaka niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak'i Davida ô!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D779E517-25F5-454D-88DC-F4A16AE17CA3
32
Ary Jesosy nijanona, dia niantso azy ka nanao hoe: Inona no tianareo hataoko aminareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9B9B552-8170-49CC-BBF6-1DD2C501C7D9
33
Hoy izy taminy: Tompoko ô, ny mba hampahiratina ny masonay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7EF3658-EED8-4174-AEBE-F5E3A5766CAB
34
Ary Jesosy dia onena azy ka nanendry ny masony; ary nahiratra niaraka tamin'izay izy, dia nanaraka an'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8F82D2E-1B9C-467E-A469-8381C2E591C6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany