Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary raha nanakaiky an'i Jerosalema izy ka tonga tao Betifaga any an-tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy Jesosy ka nanao taminy hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56D0C205-9F58-41BC-94A6-86946293E29B
2
Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin'izay dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany eo aminy hianareo; vahao izy, dia ento ety amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3E3004F-27A6-4F4D-A1B3-D20283BB7666
3
Ary raha misy miteny anareo, dia lazao hoe: Misy raharaha analan'ny Tompo azy; ary dia havelany ho entina miaraka amin'izay izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01109B86-FF6E-4EB0-AB66-BD4F25CBD341
4
Izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|598A0A69-D989-4FCD-8B55-553E679F0162
5
Lazao amin'i Ziona zanakavavy: Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, Malemy fanahy sady mitaingina boriky, Dia zanaky ny boriky miasa (Zak.9.9).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BA2D7A1-EFF8-451A-9B93-F09D00F9F27C
6
Ary dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nandidian'i Jesosy azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BC36ADB-1072-4440-871F-5B4B7F8D3EEA
7
dia nentiny ny boriky sy ny zanany ary nataony teo amboniny ny lambany, ary Jesosy dia nitaingina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2A882B7-8818-4D39-9981-F9DC2158DEB2
8
Ary ny ankabiazan'ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dàlana; ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo, dia nahahany teny an-dàlana koa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACEEEDE1-AC8E-452B-8A0E-32DDAC83D133
9
Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosanaho an'ny Zanak'i Davida! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! Hosana any amin'ny avo indrindra (Sal.118.26).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13D848F9-1555-409A-A6EC-D1CA9A9B83EB
10
Ary nony efa tafiditra tany Jerosalema Izy, dia nihorakoraka ny tanàna rehetra ka nanao hoe: Iza moa izao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A154A022-77B4-448B-9A80-E3E2A0F699FE
11
Ary ny vahoaka nilaza hoe: Izao no Jesosy mpaminany, Izay avy any Nazareta any Galilia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE7417A3-94DD-47E5-A58C-CDF0E8C115EC
12
Ary Jesosy niditra teo an-kianjan'ny tempolin'Andriamanitra, dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy teo an-kianjan'ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan'ny mpivarotra ny voromailala;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B534D39C-A987-4BD8-8B32-56BFDB383740
13
dia hoy Izy taminy: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ( Isa.56.7); fa hianareo kosa manao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jer.7 .11).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A12F10CD-149C-4FEA-A699-CDB88FA39D9B
14
Ary nisy jamba sy mandringa nanatona Azy teo an-kianjan'ny tempoly, dia nahasitrana azy Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF6591D9-3B71-477D-A477-60EA0F269BEF
15
Fa nony hitan'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny zavatra mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantso eo an-kianjan'ny tempoly ka manao hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida!-dia tezitra izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF3020FF-2DA6-4A2E-B589-3C3E2C0687B6
16
ka nanao taminy hoe: Renao va izay lazain'ireo? Dia hoy Jesosy taminy: Eny; tsy mbola novakianareo va ny teny manao hoe: Avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana ( Sal 8.2)?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79775C71-9859-4444-8BCA-25538E2CCC10
17
Dia nandao azy Izy ka niala tao an-tanàna hankany Betania; ary dia nitoetra tao mandritra ny alina Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C866AA2C-F7DD-4F38-98D1-BE0F98903ABC
18
Ary nony niverina maraina hankany an-tanàna Izy, dia noana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2236075-3CD3-4E91-9C31-A052835D0430
19
Ary nahita hazo aviavyanankiray teo amoron-dàlana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina vetivety foana ilay hazo aviavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B23D9E52-BAA3-4F66-944B-8D1652CFF0AE
20
Ary nony hitan'ny mpianatra izany, dia gaga izy ka nanao hoe: Nanao ahoana re no dia nahamaina vetivety io aviavy io?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BB43D8C-0ED1-4790-8217-4E0AD8293D3A
21
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana hianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin'ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin'ity tendrombohitra ity aza hianareo ka hanao hoe: Mifindrà hianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A6F6C5B-E5BA-47D4-B19F-BC854C697D25
22
Ary na inona na inona no angatahinareo amin'ny fivavahana atao amin'ny finoana dia ho azonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C0C23A3-2742-43BC-BE87-5AA54ABA2374
23
Ary rehefa tafiditra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F305AE85-2FA6-4005-B496-503F0597AE5A
24
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa hanontany anareo zavatra iray loha ary raha hovalianareo izany, Izaho kosa dia hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA938B75-FD45-480C-B3C4-E0B528C20783
25
Ny batisan'i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Ary izy ireo niara-nisainaka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka nahoana no tsy nino azy hianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E7D8A0E-921D-4399-A5D1-B016B7646526
26
Ary raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon'izy rehetra ho mpaminany Jaona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1616409-CADC-4061-87D8-6BDDFCDEBA59
27
Dia namaly an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Dia hoy Jesosy taminy: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6FD21B7-DB2E-4E68-9FCB-5E83430D2277
28
Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin'ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin'ny tanimboaloboko anio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84D9EC5F-E0E4-405C-955C-3E7650BEAA54
29
Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F77C37D-995D-48CB-8648-95BDC6BD894E
30
Dia nankeo amin'ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko, kanjo tsy nandeha izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33052341-8C1D-4EE2-BF79-FE12A7B6A518
31
Ka iza moa amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon'ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4798EFAF-CD74-4F42-9B25-C0340FA34393
32
Fa Jaona nankany aminareo tamin'ny làlan'ny fahamarinana, nefa tsy nino azy hianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa hianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina mba hinoanareo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|583B590B-DCE8-4F6C-95EC-E11D07E0506C
33
Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanao tanimboaloboka, dia namefy azy manodidina, dia nihady famiazana teo anatiny, dia nanao tilikambo, ary dia nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin'ny tany hafa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF9D6651-96CB-4F55-9AF0-0E2D44C99680
34
Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin'ny mpiasa tany handray ny vokatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BD2FCD4-30DA-4146-8F39-21FCB2B63CBA
35
Fa ny mpiasa tany nisambotra ny mpanompony, ka ny anankiray nokapohiny, ary ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EE6D8F1-D24C-463C-B90D-3C1B9E46A4B9
36
Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy, maro noho ny teo; fa nataony toy izany koa ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75BF58C3-9304-47A2-9F32-CA6ADA88CF78
37
Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A5C2ABB-D05E-463B-B236-64374C99DDE3
38
Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ny zanaka, dia niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|246A72C4-FA19-4427-B6B5-5EF923861921
39
Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan'ny tanimboaloboka, dia namono azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89017912-34B5-4ADA-B46D-CBBAC6F4065A
40
Koa raha tonga ny tompon'ny tanimboaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa tany izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9508FB69-BC7A-45A4-BC09-69724B118741
41
Hoy izy taminy: Hataony loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany, ary ny tanimboaloboka dia hahofany amin'ny mpiasa tany sasany izay hanome azy ny vokatra amin'izay fotoany avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2996713B-6663-4E4E-9BFC-2CAC126A2F9A
42
Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin'ny Soratra Masina hoe: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano , Dia izy no efa natao fehizoro; Avy tamin'i Jehovah izao ka mahagaga eo imasontsika ? (Sal.118.22 .23).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F97A30C7-6902-4EF1-9E55-A6954647360B
43
Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan'Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|021B7AF6-C2CC-41A5-B238-BD53B7A7132E
44
Ary izay potraka amin'ity vato ity dia ho torotoro, fa na zovy na zovy no hianjerany, dia ho mongomongo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFC847E1-7EE0-4B61-9BAA-AEA5C1E72BAC
45
Ary rehefa ren'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo ny fanoharana nataon'i Jesosy, dia fantany fa ny tenany no nolazainy amin'izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2B4621E-1A6C-4397-9427-4689C8BB970A
46
Dia nitady hisambotra Azy izy, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon'ny vahoaka ho mpaminany Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C064231E-F5F0-4425-9E70-E19AD7EDE344
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany