Andininy
Protestanta Malagasy
12
Ary Jesosy niditra teo an-kianjan'ny tempolin'Andriamanitra, dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy teo an-kianjan'ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan'ny mpivarotra ny voromailala;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B534D39C-A987-4BD8-8B32-56BFDB383740
13
dia hoy Izy taminy: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ( Isa.56.7); fa hianareo kosa manao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jer.7 .11).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A12F10CD-149C-4FEA-A699-CDB88FA39D9B
14
Ary nisy jamba sy mandringa nanatona Azy teo an-kianjan'ny tempoly, dia nahasitrana azy Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF6591D9-3B71-477D-A477-60EA0F269BEF
15
Fa nony hitan'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny zavatra mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantso eo an-kianjan'ny tempoly ka manao hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida!-dia tezitra izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF3020FF-2DA6-4A2E-B589-3C3E2C0687B6
16
ka nanao taminy hoe: Renao va izay lazain'ireo? Dia hoy Jesosy taminy: Eny; tsy mbola novakianareo va ny teny manao hoe: Avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana ( Sal 8.2)?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79775C71-9859-4444-8BCA-25538E2CCC10
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany