Andininy Protestanta Malagasy 1 Ary tamin'izany Jesosy dia niteny tamin'ny vahoaka sy tamin'ny mpianany ka nanao hoe: 2 Eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy no ipetrahan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; 3 koa amin'izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao. 4 Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin'ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin'ny rantsan-tànany anankiray aza. 5 Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan'ny olona; fa ataony lehibe ny filakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny. 6 Ary tia ny fitoerana aloha eo amin'ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin'ny synagoga 7 sy ny hoharabain'ny olona eny an-tsena ary ny hataon'ny olona hoe: Raby ô! 8 Fa hianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. 9 Ary aza milaza olona ety an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra . 10 Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika hianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy. 11 Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo. 12 Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra. 13 Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa arindrinareo eo anoloan'ny olona ny fanjakan'ny lanitra; fa hianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra.
|