Andininy
Protestanta Malagasy
13
Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa arindrinareo eo anoloan'ny olona ny fanjakan'ny lanitra; fa hianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B536913A-B6FF-44F4-99F1-F88B9C83E808
14
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa laninareo ny tranon'ny mpitondratena, ary dia manao vavaka lavareny mba ho fiolahana hianareo; koa izany no hahazoanareo fahamelohana mafimafy kokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0DD472B5-0F9A-48C4-B416-33BF235F099E
15
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina hianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho hianareo aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D407E1D-C77B-44E5-8253-1FDDC24F4509
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany