Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nony niala teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25566383-74DE-4284-82CA-7CA953A0C758
2
Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC59FF1D-5D76-4A11-BC7D-2422EA500472
3
Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan'izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2A86642-EBCE-4D1A-A0E0-89F299E19BA1
4
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0A5B808-1774-46E7-B7FD-BDABBB336A90
5
Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C530A953-93A2-4F2C-8FC4-71B4F057C437
6
Ary handre ady sy filazana ady hianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|089ABBEA-1942-4CCF-BAE8-0A683834A21D
7
Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95F5F3B1-EF8C-4E77-811F-D677C6E24AEF
8
Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny fahoriana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B124E4F0-0C3D-49D4-8949-07D79F39DC79
9
Ary dia hatolony ho amin'ny fahoriana hianareo ka hovonoiny; ary ho halan'ny firenena rehetra hianareo noho ny anarako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52573061-C783-46A7-802A-6E223EFD3A1A
10
Ary amin'izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2292FC9E-336A-4C04-AD65-526614374D15
11
Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E87D7A3F-F134-4E54-8788-6D04335760EA
12
Ary noho ny haben'ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B3276D7-3A48-4655-A800-65539CE2966B
13
Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7562B7D-DBED-47E1-B92E-859A37F35205
14
Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran' ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F925376F-6406-4D47-AE49-F16C72460367
15
Koa raha hitanareo mitsangana ao amin'ny fitoerana masina ny fahavetavetan'ny fandravana izay nampilazaina an'i Daniela mpaminany (Dan.12.11.9.27) (aoka hisaina izay mamaky izany),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B272A89-2C85-4CB0-B3EE-7FAFF89B90EA
16
dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44AF5C2F-4F31-493A-8265-6E784F7B261A
17
ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny ao an-tranony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A785FE0-FC60-40F0-A090-3238976EB0E8
18
ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56F2BE39-CF76-48BD-8716-EC9C948D993E
19
Ary lozan'ny bevohoka sy ny mampinono amin'ireo andro ireo!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70BEBA35-DC50-4A6B-8A21-C0F4D539F789
20
Fa mivavaha hianareo mba tsy ho amin'ny ririnina na ho amin'ny Sabata no handosiranareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD2FA404-D6AB-4327-93AF-1FA66D48C4DF
21
Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan'izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8EF488D-DA2D-4CBA-8898-38AC60D6AC68
22
Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|846AF701-2AD8-40A9-B184-1C7E2EB87488
23
Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro, aty Kristy, na: Indro, ary; aza mino hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|220E8BB6-4D79-4558-8B2A-27D2B877B8B9
24
Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CEFFABD-0B4E-470B-8190-247F88DFD505
25
Indro, voalazako aminareo rahateo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E454F7A-59E5-4CEC-8574-8E51865D391D
26
Ary amin'izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany hianareo; Indro, ao amin'ny efi-trano Izy, aza mino.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A701C82C-6377-49E1-A52E-6DBD3B0E2AC4
27
Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C870B8BC-7A47-4A1E-BC3B-5426775974CD
28
Fa izay itoeran'ny faty, dia any no hiangonan'ny voromahery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3690A08-378E-4240-8263-466EA5502A34
29
Ary raha vao afaka ny fahoriana amin'ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin'ny lanitra hohozongozonina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0A76275-39AD-41CC-9BDB-A174B09B3DA5
30
Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BEC186E-2832-48A5-990A-884BF005F0C4
31
Ary amin'ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faravodilanitra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|627A7F98-6540-495C-A56A-E0C7D5AEE166
32
Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3305A8ED-79C3-414C-8089-515ECFBF4223
33
Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB25772A-4019-4FEC-AA7B-FF24C5AC5526
34
Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan'izany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28407408-E715-46B7-9982-9464A691B8FA
35
Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42F99DFA-3EAA-4F7A-AF84-569CFDCA1D1E
36
Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFD7B0F2-FB97-41A9-A52A-A9996562B3B9
37
Fa tahaka ny andron'i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian'ny Zanak'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32BA3F5B-9E27-427C-BEA5-8B3D1D52BD54
38
Fa tahaka ny tamin'ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran' i Noa tao amin'ny sambo-fiara,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|620B85F9-E56C-4CDC-AE23-73AF851CCE9B
39
ary fantany mandra-pihavin'ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5A182E8-2BBE-4D92-96BB-1502BB15F6FF
40
Ary amin'izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D6551A6-1EE9-455E-BB9B-DA719586D51C
41
Ary hisy roa vavy manodina ny fikosoham-bary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFFCECEC-7FA5-41A6-8E30-8C1E54D7B339
42
Koa amin'izany miambena hianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4D16FD6-B14A-4ED3-B57B-4F611ACC1180
43
Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin'ny alina izay hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A09168B7-264E-4A25-99D0-F3EF01EADF2C
44
Koa miomàna kosa hianareo; fa amin'izay ora tsy ampoizinareo no hihavian'ny Zanak'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B63D88A-0D49-47D0-A1DE-21C3BC323163
45
Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin'ny fotoana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26B7C6F7-07EE-4E92-8384-EFCC0F16CCEA
46
Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F496472-31AA-43C6-9587-E31D3ABD025D
47
Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B20CDA46-8B5A-4141-92B6-27F23962738D
48
Fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe: Maharitra ela ny tompoko,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A09EFDD8-167E-4662-9DE6-5497D91DDB5A
49
ka dia nikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin'ny mpimamo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB77B1A5-CBFA-4A2F-B5E4-239CE28C16A8
50
dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|197F7799-7B51-4683-BE68-1D96EFAD2D4C
51
dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin'ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F925735-19F1-479E-9FA5-8F85D1D2BB6C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany