Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|158466CC-6E5B-4C63-94BA-B97758EF369B
2
Ary ny dimy tamin'ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C830AD1-811E-4A13-8BD8-13B89155CC4B
3
Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B9E0218-1124-4774-BB3E-4BDAE5FB16CC
4
ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin'ny fitondrany sy ny fanalany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D4A7AFA-A72F-4906-8F1D-253972FCCA88
5
Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|421971D8-EAA4-4AB4-B83F-8DA5E2C42C64
6
Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indry ny mpampakatra! mivoaha mba hitsena azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08B5868F-DA8A-45E2-8EA3-7D3D56D5DFA8
7
Dia nitsangana ireo virijina rehetra ireo, ka samy namboatra ny fanalany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CF2731F-8F43-4D5D-9559-CD15B46D0771
8
Dia hoy ny adala tamin'ny hendry: Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E32C2BC-7950-4133-8FB1-49156053A36B
9
Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin'ny mpivarotra hianareo, ka mividiana ho anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C71A3867-976F-4B72-8C1B-4A348FC2797A
10
Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E5C82EE-E48D-4792-A934-D920AC66C300
11
Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe: Tompoko, tompoko, vohay izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C426C168-7BF2-47E7-8AFF-6470D52A5918
12
Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBCA4A1B-25CE-4553-8AF4-1B166DB1FE41
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany