Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|158466CC-6E5B-4C63-94BA-B97758EF369B
2
Ary ny dimy tamin'ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C830AD1-811E-4A13-8BD8-13B89155CC4B
3
Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B9E0218-1124-4774-BB3E-4BDAE5FB16CC
4
ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin'ny fitondrany sy ny fanalany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D4A7AFA-A72F-4906-8F1D-253972FCCA88
5
Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|421971D8-EAA4-4AB4-B83F-8DA5E2C42C64
6
Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indry ny mpampakatra! mivoaha mba hitsena azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08B5868F-DA8A-45E2-8EA3-7D3D56D5DFA8
7
Dia nitsangana ireo virijina rehetra ireo, ka samy namboatra ny fanalany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CF2731F-8F43-4D5D-9559-CD15B46D0771
8
Dia hoy ny adala tamin'ny hendry: Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E32C2BC-7950-4133-8FB1-49156053A36B
9
Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin'ny mpivarotra hianareo, ka mividiana ho anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C71A3867-976F-4B72-8C1B-4A348FC2797A
10
Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E5C82EE-E48D-4792-A934-D920AC66C300
11
Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe: Tompoko, tompoko, vohay izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C426C168-7BF2-47E7-8AFF-6470D52A5918
12
Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBCA4A1B-25CE-4553-8AF4-1B166DB1FE41
13
Koa amin'izany miambena hianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF826552-9124-42AE-AF3B-AE92DD4494B1
14
Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8AA7889B-875D-4257-AEE8-C99EB4AB2FA7
15
koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray-samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B30C790-1277-474E-9ED7-CAE5DA0D40A4
16
Ary niaraka tamin'izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary nahazo tombony talenta dimy koa izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C63A94C-F783-4252-B4CC-9CB6314552E7
17
Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67B42757-FF53-40E0-B499-F53E166297A2
18
Fa ilay nandray ny izay kosa dia lasa nihady ny tany ka nandevina ny volan'ny tompony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85C4DF4B-0A17-4ECD-A36A-B5E22763E648
19
Ary nony ela, dia tonga ny tompon'ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin'ny volany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E88F6DB-5B0D-426E-B4AA-41D243AE83A2
20
Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy: indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57620F63-88C4-46F0-AFA2-029813EFE7FD
21
Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky ; nahatoky tamin'ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin'ny fifalian'ny tomponao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5EF41D6C-69A5-4FE6-BF74-7ECA6E4605E6
22
Ary nony nanatona koa ilay nandray ny talenta roa, dia hoy izy: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa koa aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80BD0F85-A77B-420A-AF1F-7DA27BFD880B
23
Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin'ny fifalian'ny tomponao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAB7DC20-21D3-49B3-830C-D24944C95D95
24
Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary hianao, mijinja eny amin'izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin'izay nanahafanao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34C30D30-A25C-4D70-B817-CA6501D7F5DF
25
dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin'ny tany; indry, lasanao ny anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F27D2C0-828A-44B1-80C8-83F480C74093
26
Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin'izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafako;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1D8E893-87D9-4D99-AE10-8C1E88BFE8F7
27
koa tokony ho nampanàna ny volako tamin'ny mpanàna vola hianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3AA47E9-5A3D-4BBC-8991-6D6A77DE3801
28
Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05370997-0D9A-429D-877D-7C7FA8AE6FFF
29
Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC1C7C79-CA4B-465E-8883-4EDF25346027
30
Ary ario ho any amin'ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9B9EBC4-DBB0-4AE1-809C-42D88B37547B
31
Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17D60FFE-324F-420E-AC11-31DBFCD96836
32
ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85D84440-14BA-43C8-86CD-E873F721347D
33
ary hametraka ny ondry eo amin'ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin'ny ankaviany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC096127-AF4E-494B-9DD1-9B4CF8A2D393
34
Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia hianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39D4174A-CCD6-4834-A635-EADE53A1F111
35
fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|658540A6-9B23-4303-BEF7-973F5922BF7F
36
tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-trano-maizina Aho, dia novangianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32EE4263-D841-4FE8-BC9E-C13682142EC7
37
Ary hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03AB999D-6365-4670-9544-45E32EF8762F
38
Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A480991E-B09E-4F36-B70C-93B78FDC85E3
39
Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-trano-maizina, ka novangianay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A82B6747-E7FD-4087-BC0B-4AD6ED470AC6
40
Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A012AFF-1D9D-4FA6-BE48-6F8D5121468B
41
Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, hianareo izay voaozona ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A9F473E-474D-4BFC-A522-FDA09963BBA0
42
fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05D27132-7D11-4404-8EAD-6538A156AC01
43
nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-trano-maizina Aho, fa tsy mba novangianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA33A98E-3D37-4371-AF15-2C586778604D
44
Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-trano-maizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D5B491D-7930-498B-B753-B9F607D95E53
45
Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B792B15A-FF5A-421E-BF7D-5FA3888E667E
46
Ary ireo dia hiala ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay: fa ny marina ho any amin'ny fiainana mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7AA575EE-4FC9-4B09-B503-8A05A63530D8
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany