Andininy
Protestanta Malagasy
31
Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17D60FFE-324F-420E-AC11-31DBFCD96836
32
ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85D84440-14BA-43C8-86CD-E873F721347D
33
ary hametraka ny ondry eo amin'ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin'ny ankaviany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC096127-AF4E-494B-9DD1-9B4CF8A2D393
34
Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia hianareo izay notahin'ny Raiko, mandovĂ  ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39D4174A-CCD6-4834-A635-EADE53A1F111
35
fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|658540A6-9B23-4303-BEF7-973F5922BF7F
36
tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-trano-maizina Aho, dia novangianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32EE4263-D841-4FE8-BC9E-C13682142EC7
37
Ary hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03AB999D-6365-4670-9544-45E32EF8762F
38
Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A480991E-B09E-4F36-B70C-93B78FDC85E3
39
Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-trano-maizina, ka novangianay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A82B6747-E7FD-4087-BC0B-4AD6ED470AC6
40
Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A012AFF-1D9D-4FA6-BE48-6F8D5121468B
41
Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: MialĂ  amiko, hianareo izay voaozona ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A9F473E-474D-4BFC-A522-FDA09963BBA0
42
fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05D27132-7D11-4404-8EAD-6538A156AC01
43
nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-trano-maizina Aho, fa tsy mba novangianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA33A98E-3D37-4371-AF15-2C586778604D
44
Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-trano-maizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D5B491D-7930-498B-B753-B9F607D95E53
45
Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B792B15A-FF5A-421E-BF7D-5FA3888E667E
46
Ary ireo dia hiala ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay: fa ny marina ho any amin'ny fiainana mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7AA575EE-4FC9-4B09-B503-8A05A63530D8
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany