Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa vitan'i Jesosy izany teny rehetra izany, dia nilaza tamin'ny mpianany hoe Izy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC9B44B4-E95F-44D5-9E04-BCB99DB6683B
2
Fantatrareo fa raha afaka indroa andro, dia ho tonga ny Paska, koa ny Zanak'olona dia hatolotra hohomboana amin'ny hazofijaliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C121A9D-759B-43A3-AF56-70D1DFC7DC00
3
Ary tamin'izany dia nivory ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona tao an-kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe atao hoe Kaiafa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A9551AD-34D2-4DAF-B971-AB904F49D6FB
4
Ary niara-nihevitra izy hisambotra an'i Jesosy amin'ny fitaka ka hamono Azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00939D48-964F-464D-B043-AAF761700AD6
5
kanefa hoy izy: Tsy amin'ny andro firavoravoana, fandrao hisy tabataba amin'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8936564-1C97-45A3-B934-868575F07DF1
6
Ary nony tany Betania Jesosy, tao an-tranon' i Simona boka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|295CFAED-810C-4D96-836D-D9A18ED1D1E3
7
dia nanatona Azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra saro-bidy loatra, ka naidiny tamin'ny lohany izany, raha nipetraka nihinana Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BADF4363-022E-49BD-9077-6CBF2A5AFF48
8
Fa nony nahita izany ny mpianatra, dia tezitra ka nanao hoe: Inona no anton'izao fandaniam-poana izao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A960E96-B8FB-43AA-AC2A-9CA0F575E5FD
9
Fa azo namidy ho lafo be iny ka homena ny malahelo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4E2F574-2B28-486A-8A33-086664061841
10
Ary fantatr'i Jesosy izay nataon'ireo, ka dia hoy Izy taminy: Nahoana hianareo no mampalahelo an-dravehivavy? fa asa soa no nataony amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1376C493-2A87-4690-BB07-811541C7D151
11
Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, fa Izaho tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E8A0713-40CF-4EFA-BB57-2EAE3E412A6D
12
Fa izy no nampidina izany menaka manitra izany tamin'ny tenako, dia ny hamboatra Ahy halevina no nanaovany izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B4E66DF-785C-457D-9FB5-06FFB4762235
13
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin'izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C53125DE-6521-42BF-820B-3297CFE5EAD8
14
Ary ny anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, atao hoe Jodasy Iskariota, dia nankao amin'ny lohan'ny mpisorona
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B5C74C2-9245-47F5-BACF-2EC6639A46EF
15
ka nanao hoe: Homenareo hoatrinona aho hanolorako Azy aminareo? Ary izy nandanja sekely volafotsy telo-polo homena azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97C00821-D1AB-4EEA-AC4E-BE76473D9CE4
16
Ary hatramin'izay no nitadiavany izay andro hahazoany mamadika Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59434FAB-7822-4C6F-8FBF-C67CD8C7147D
17
Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|433679AA-ECD2-4A3A-85D6-BF2C736B43E6
18
Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoako; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|381D3C4A-AC55-43B6-8B64-99133BACAE94
19
Ary ny mpianatra dia nanao araka ny nasain'i Jesosy nataony ka namboatra ny Paska.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|564AFFBE-17AE-459D-A2DD-996BB320E2C2
20
Ary nony hariva ny andro, dia nipetraka nihinana Izy mbamin'ny mpianatra roa ambin'ny folo lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FE94B33-6D97-422E-944D-47451159D377
21
Ary raha mbola nihinana Izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2871C57C-8A30-4CC3-B243-FA7ECE0D95F7
22
Dia nalahelo indrindra izy rehetra, ka samy nanontany hoe: Moa izaho va izany, Tompoko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7C91445-7AFF-47A9-9ACC-8B91E7FAB346
23
Ary Izy namaly ka nanao hoe: Izay niara-nanatsoboka ny tànany tamiko tao anatin'ny lovia, izy no hamadika Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5F43A3A-F10B-4AFF-8A84-F5FFC2AEE2FD
24
Ny Zanak'olona dia mandeha tokoa araka izay nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41E68872-03F6-4ABB-81BB-C5B86D4D7D51
25
Ary Jodasy, izay namadika Azy, dia namaly ka nanao hoe: Izaho va Izany, Raby ô? Dia hoy Izy taminy: Voalazanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F47FB92-6543-4E52-8A61-F8BE3239DF14
26
Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB0008A8-D8BF-441A-906C-713BE4FB879D
27
Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1BD59B0-A587-4C99-A5C5-6498B6207368
28
fa ity no rako, dia ny amin'ny fanekena, izay alatsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82DF5EA5-7B54-4ACB-B76E-6C7FF88FF1AB
29
Ary lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin'ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin'ny fanjakan'ny Raiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A79BBB9-A468-4EBB-9C66-8F48F0B30BA0
30
Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany amin'ny tendrombohitra Oliva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2FEF609-1AA4-43FC-9CF3-D3A0D05E8122
31
Ary tamin'izany dia hoy Jesosy taminy: Hianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny amiko anio alina; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry andrasana (Zak.13.7).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE4D4E7D-CF97-463E-BBCE-4D1E4C09EC63
32
Fa rehefa atsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96A0B374-0C5A-470F-AA1F-BD05FFD93841
33
Fa Petera namaly ka nanao taminy hoe: Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5EE50181-BD0A-444A-BA2E-81CFE8BEC821
34
Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C9498B9-2B70-46CC-A88B-88020D382434
35
Hoy Petera taminy: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain'ny mpianatra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C8BDC7B-9219-4738-AE31-7068E6C8F1CB
36
Ary Jesosy mbamin'ny mpianany dia tonga tao amin'ny saha anankiray atao hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto aloha hianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9131593C-CCB7-491D-A07A-9A145C3DC33B
37
Ary nitondra an'i Petera mbamin'izay roa lahy zanak'i Zebedio Izy, dia nalahelo am-po sy ory indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA3DC418-6B45-40F9-B4E1-BD0D8C57224E
38
Dia hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miaraha miaritory amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1719C407-92C7-47C9-9CF3-D8335ACB6474
39
Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC5EAE33-18CA-4570-A948-270E698691C8
40
Ary nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nahita azy matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza hianareo!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99646EF4-DACD-4519-AA3B-777052F16D46
41
Miareta tory sy mivavaha hianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05B00590-B80C-4FD2-9726-CB2D39FBEC36
42
Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko,dia aoka ny sitraponao no hatao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3DA3CCF1-CE49-4D1A-91C9-EC309C97B3F1
43
Ary nony tonga Izy, dia nahita azy matory indray; fa efa nilondolondo ny masony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4BD0E6B-865A-4944-B408-014C9C3828C0
44
Ary rehefa nandao azy Izy ka lasa indray, dia nivavaka fanintelony ka nanao izany teny izany ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C0A0F45-4311-4603-890D-0AA532325587
45
Dia nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra hianareo ; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak'olona hatolotra eo an-tanàn'ny mpanota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3916BA23-3448-4044-B606-C230235DB007
46
Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1DE7211-53CE-4D32-8801-CB95710B0B10
47
Ary raha mbola niteny Jesosy, indro, avy Jodasy, izay isan'ny roa ambin'ny folo lahy, mbamin'ny vahoaka betsaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7B2959E-A031-4163-9FB6-C2669879F4CC
48
Ary ilay namadika Azy nanome famantarana ny olona ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C38DD13C-4986-496F-A516-A4D43845F4C2
49
Ary niaraka tamin'izay dia nanatona an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Finaritra, Raby! dia nanoroka Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F665249F-DC8D-457C-B6DB-00002D014D97
50
Fa hoy Jesosy taminy: Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto. Dia nanatona ny olona ka nisambotra an'i Jesosy ary nitana Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C46FDCD3-547B-4260-977F-0AA2F362B33B
51
Ary, indro, ny anankiray tamin'izay nomba an'i Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49C7201A-EF31-45E6-8812-465DD233C0F5
52
Fa hoy Jesosy taminy: Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin'ny sabatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A30E9FC-FC4A-437C-BFBF-8AED84961A2D
53
Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho ety amiko Izy ankehitriny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10F4BDFE-82C5-4877-83E2-2C43954C449A
54
Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD8CEC71-F508-40B5-953C-8177FC23ECAC
55
Ary tamin'izany ora izany dia niteny tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va hianareo? Isan-andro dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Aho, nefa tsy nisambotra Ahy hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F8DC8A3-A24D-4999-BBD9-21261D32F711
56
Fa izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay voasoratry ny mpaminany. Ary tamin'izany dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A42906C7-8BF6-4956-B34D-3094884E3826
57
Ary izay efa nisambotra an'i Jesosy dia nitondra Azy ho any amin'i Kaiafa mpisoronabe, izay nivorian'ny mpanora-dalàna sy ny loholona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AE55507-7191-47F6-9076-27B8AB9A1F2D
58
Ary Petera nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin'ny kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe; ary niditra izy, dia niara-nipetraka tao amin'ny mpiandry raharaha mba hahita izay hiafarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC7A1D21-3162-4F11-8513-E34A707B1C12
59
Ary ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny Synedriona rehetra nitady teny ho entiny hiampangana lainga an' i Jesosy mba hamonoany Azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39B418A7-1349-4622-B94B-D895DB3F985B
60
fa tsy nahita izy, na dia maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo, izay nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFE8EC54-4FE0-45BC-93A6-98C061424DF2
61
Ilehity nanao hoe: Mahay mandrava ny tempolin' Andriamanitra Aho sy manangana azy amin'ny hateloana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|352956EA-F296-4C8A-8001-4818644D6C88
62
Dia nitsangana ny mpisoronabe ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan'ireto Anao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16350E18-E506-4E39-997D-0E6DD620B8CA
63
Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin'Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak' Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87EA1FDC-E85E-4069-B806-6A09CE107045
64
Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo amin'ny tànana ankavanan'ny Hery sy avy eo amin'ny rahon'ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42456E12-AB4D-4279-980C-141A2399D98B
65
Ary tamin'izany ny mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Efa niteny ratsy Izy; ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray? indro, efa renareo izao fitenenan-dratsy izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5735A4B-4091-45D1-8454-D9FE1BE2305A
66
Ahoana no hevitrareo? Ary ireo namaly ka nanao hoe: Mendrika hohelohina ho faty Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F0EDB52-E2C4-446C-B1C3-FECBAA27A23A
67
Dia nororany ny tavany, ka nasiany totohondry Izy; ary ny sasany namely tahamaina Azy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4D0A5EE-941D-44FB-A263-7BDD8A7CF61D
68
ka nanao hoe: Maminania aminay, ry Kristy, iza no namely Anao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01118541-D990-4606-9EA4-417844B1C5E2
69
Ary Petera nipetraka teo ivelany, teo an-kianja, dia nanatona azy ny ankizivavy anankiray ka nanao hoe: Hianao koa nomba an' i Jesosy, ilay Galiliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00603F2D-2B39-401B-9155-C09FB32DE2A7
70
Fa izy nandà teo anatrehan'izy rehetra ka nanao hoe: Tsy azoko izay lazainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4BDDF53-68D9-438E-A35B-F13AC7F92574
71
Ary nony niala ho eo am-bavahady izy, dia nahita azy ny ankizivavy anankiray koa ka nilaza tamin'izay teo hoe: Ity koa nomba an'i Jesosy avy any Nazareta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81697162-3824-41D0-815F-2ECA4C1291F1
72
Ary nandà indray tamin'ny fianianana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A51A187D-C269-4B66-B4DA-28F7A2E3C069
73
Ary nony afaka kelikely, dia nanatona izay nijanona teo ka nanao tamin'i Petera hoe: Marina tokoa fa naman'ireny hianao; fa ny fiteninao miampanga anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38449813-B19C-48AE-9E14-086C32C451DA
74
Dia vao niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany; ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B23BCCF-0045-405A-97F0-B29EA6B25F4D
75
Ary Petera nahatsiaro ny tenin'i Jesosy, izay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo hianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D33B7BC4-9CA7-4ED1-8F42-5D797CCA35CB
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany