Andininy Protestanta Malagasy 57 Ary izay efa nisambotra an'i Jesosy dia nitondra Azy ho any amin'i Kaiafa mpisoronabe, izay nivorian'ny mpanora-dalàna sy ny loholona. 58 Ary Petera nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin'ny kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe; ary niditra izy, dia niara-nipetraka tao amin'ny mpiandry raharaha mba hahita izay hiafarany. 59 Ary ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny Synedriona rehetra nitady teny ho entiny hiampangana lainga an' i Jesosy mba hamonoany Azy; 60 fa tsy nahita izy, na dia maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo, izay nanao hoe: 61 Ilehity nanao hoe: Mahay mandrava ny tempolin' Andriamanitra Aho sy manangana azy amin'ny hateloana. 62 Dia nitsangana ny mpisoronabe ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan'ireto Anao? 63 Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin'Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak' Andriamanitra. 64 Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo amin'ny tànana ankavanan'ny Hery sy avy eo amin'ny rahon'ny lanitra. 65 Ary tamin'izany ny mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Efa niteny ratsy Izy; ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray? indro, efa renareo izao fitenenan-dratsy izao. 66 Ahoana no hevitrareo? Ary ireo namaly ka nanao hoe: Mendrika hohelohina ho faty Izy. 67 Dia nororany ny tavany, ka nasiany totohondry Izy; ary ny sasany namely tahamaina Azy
|