Andininy
Protestanta Malagasy
69
Ary Petera nipetraka teo ivelany, teo an-kianja, dia nanatona azy ny ankizivavy anankiray ka nanao hoe: Hianao koa nomba an' i Jesosy, ilay Galiliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00603F2D-2B39-401B-9155-C09FB32DE2A7
70
Fa izy nandà teo anatrehan'izy rehetra ka nanao hoe: Tsy azoko izay lazainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4BDDF53-68D9-438E-A35B-F13AC7F92574
71
Ary nony niala ho eo am-bavahady izy, dia nahita azy ny ankizivavy anankiray koa ka nilaza tamin'izay teo hoe: Ity koa nomba an'i Jesosy avy any Nazareta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81697162-3824-41D0-815F-2ECA4C1291F1
72
Ary nandà indray tamin'ny fianianana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A51A187D-C269-4B66-B4DA-28F7A2E3C069
73
Ary nony afaka kelikely, dia nanatona izay nijanona teo ka nanao tamin'i Petera hoe: Marina tokoa fa naman'ireny hianao; fa ny fiteninao miampanga anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38449813-B19C-48AE-9E14-086C32C451DA
74
Dia vao niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany; ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B23BCCF-0045-405A-97F0-B29EA6B25F4D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany