Matio 28: 1-20

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny alin'ny Sabata, raha vao mazava ratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92E0D0CB-05DA-4CB5-8DAB-F9FCAE5A14C6
2
Ary, indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin'ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07A6B3F0-7D57-478A-86E2-94C1E3419980
3
Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny orampanala;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97ED3075-8C62-44D5-8BE5-982AA037E9D6
4
ary ny mpiambina nivadi-po noho ny fahatahorana azy ka tonga tahaka ny maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2501F203-5DE9-46E1-93C2-3267830C3B8D
5
Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin'ny vehivavy hoe: Aza matahotra hianareo; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin'ny hazofijaliana, no tadiavinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4705CBEF-3467-48B2-B509-614DA360C87F
6
Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F45A7B22-531B-4C7F-A9FD-174297952EE3
7
Ary mandehana faingana, ka lazao amin'ny mpianany fa efa nitsangana tamin'ny maty Izy; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A185176-197D-4961-A65D-E96BC2AB1D78
8
Dia niala faingana tamin'ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, dia nihazakazaka hilaza tamin'ny mpianatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED3E8A16-924D-45DD-B5CC-2BBA55C6C31D
9
Ary, indro, Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe: Finaritra. Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8ADC8ADA-7577-48CC-9341-575DBD7D1620
10
Dia hoy Jesosy taminy: Aza matahotra; fa mandehana, ka asaovy mankany Galilia ny rahalahiko; fa any no hahitany Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BF037B9-6E91-4E5F-AB83-5280569A0BB2
11
Ary nony nandeha izy ireo, indreny, ny mpiambina sasany nankany an-tanàna ka nilaza tamin'ny lohan'ny mpisorona ny zavatra rehetra izay vao niseho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D36866CE-CAFC-4F14-9B31-7C40C46D50A9
12
Ary rehefa niangona izy mbamin'ny loholona, dia niara-nihevitra ka nanome vola be ny miaramila
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E122699C-72B5-4FEF-9207-4A5E865EE294
13
ary nanao hoe: Lazao hoe: Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy, raha sendra natory izahay;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AAA80153-4567-4977-9B9D-9EE5DAE27596
14
ary raha misy milaza izany amin'ny governora, izahay dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FB4B787-73F2-4A35-9EB6-390D700407DA
15
Dia nandray ny vola izy ka nanao araka ny teny nomeny azy; ary izany teny izany dia naelin'ny Jiosy mandraka androany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3466CFCA-B798-4A11-B9D3-59A29403333B
16
Ary ny mpianatra iraika ambin'ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin'ilay tendrombohitra nasain'i Jesosy halehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72E00644-2798-42FC-8F4B-AFF7F2B94087
17
Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9F39601-83C8-4125-9ECA-4567C57AA146
18
Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBB289C6-6CCA-428A-AE07-5DBEF3DDCDCE
19
koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F28E5732-6721-47ED-AE91-93C74A43A5D2
20
sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1EAE388-5E24-422F-8562-F1D9C35615C1
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany