Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'izany andro izany dia niseho Jaona Mpanao-batisa, nitory tany an-efitr' i Jodia nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C084049F-56E1-4D72-9E9E-1089E9313D9D
2
Mibebaha hianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41DE362A-C5DE-4A26-92C8-4AA2870B026C
3
Fa izy no ilay nampilazaina an' i Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny làlan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny làlan-kalehany ( Isa. 40.3)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5532B3B1-53D7-402F-91B6-75619AA2B4E5
4
Ary ny fitafian'izany Jaona izany dia lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany; ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|749D4FA0-A251-4867-95C6-5460E187CFE4
5
Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin'ny tany rehetra amoron'i Jordana dia nivoaka nankany amin'i Jaona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C928669C-4384-4349-80C5-3FDE5F957565
6
Ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BA17AD2-F610-4145-9D8B-185C4ABDEE97
7
Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C1C7D75-C76F-4EF8-A6FA-E2D658D01253
8
Koa mamoaza voa mendrika ny fibebahana hianareo ;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A82D486B-3FE9-404B-96FC-6C9CEE184D57
9
Ary aza manao anakampo hoe : Manana an'i Abrahama ho rainay izahay ; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DC5B01C-7722-45AC-B130-F404238AD813
10
Ary, indro, efa mipetraka eo amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky ; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A557E15A-DB3E-44C8-BBC2-943B516C56F3
11
Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana ; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy mendrika hitondra ny kapany aza aho ; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo ;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6FC6409-5969-4AE1-B782-26699C36FB6C
12
eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra ; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy mety maty
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA195619-D25B-416A-A841-0149A3573832
13
Ary tamin'izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron'i Jordana, dia nanatona an'i Jaona Izy mba hataony batisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E729439E-729D-4056-BB1B-0DF203713F3C
14
Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe : Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37B8925F-A244-4B11-AD04-8B11576CEC29
15
Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe : Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDB6A636-E848-444F-AB12-13143A0169F5
16
Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin'ny rano niaraka tamin'izay Izy ; ary , indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2442A0A-4570-4267-B1DA-DC1E0310A14E
17
Ary, injao ! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe : Ity no Zanako malalako Izay sitrako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CD89EFE-6CC4-4002-AB64-E19E48A531AB
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany