Andininy Protestanta Malagasy 1 Ary Jesosy dia nentin'ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain'ny devoly fanahy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0864C92E-0E91-483D-B56B-DF7D80C3CA22 2 Ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5AEB9C1-0627-44FD-937D-8E69DEEC4926 3 Dia nanatona ny mpaka-fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11F3A6E8-BB8F-4494-BB96-8E61A463E941 4 Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra (Deo.8.3). qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27A740F3-FCE5-40A9-B1D8-484C228E96D3 5 Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin'ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon'ny tempoly, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6FFBB61-5FD2-4665-A998-46A85D042ECB 6 dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal .91.11.12). qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52CEA80A-A271-4C48-8B6F-E3CBFC43F429 7 Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo.6.16). qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BC96382-A6DF-47A7-9A58-EBD37E3A003A 8 Ary ny devoly nitondra Azy indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F1C334B-F491-4B12-8073-2A76880F82C2 9 dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|086FC35E-CB87-419B-90BC-A5FA5D20A7D6 10 Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana hianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo.6 13). qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|864FB206-FF4C-4975-8B87-659F92B21925 11 Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E49075DA-0F26-42A1-ADDA-DC771E0A7EEF
|