Andininy Protestanta Malagasy 17 Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33DA0725-245E-4AC1-9FF2-66CF2A3D67E2 18 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44E5164E-782E-4D56-AFDB-A0B8B734697A 19 Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankato sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB084275-2600-4DB6-9585-56F21ECBFBE6 20 Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy hianareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F553556-5F6D-4DBC-92BA-42EE89F87F64
|