Matio 5: 17-28

Andininy
Protestanta Malagasy
17
Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33DA0725-245E-4AC1-9FF2-66CF2A3D67E2
18
Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44E5164E-782E-4D56-AFDB-A0B8B734697A
19
Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankato sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB084275-2600-4DB6-9585-56F21ECBFBE6
20
Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F553556-5F6D-4DBC-92BA-42EE89F87F64
21
Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks.20.13); ary izay mamono olona dia mendrika hohelohina amin'ny fitsarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64E26F0D-0E9F-48E9-B2FD-603451070783
22
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe : Olom-poana hianao, dia mendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia mendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DAA2CE3-3F97-44D6-966E-B28C713EAF7F
23
Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara hianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D86834C3-7080-4953-90F0-F8B78B83AF8B
24
dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D467D578-46EE-4E58-B6A4-890A84B252C6
25
Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy hianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-trano-maizina hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C68CE63-A77A-4694-8492-9EF73078110A
26
Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy hianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1431EC9-BDDD-487B-8DC9-B1C328351A7A
27
Efa renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks.20.14).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|940264D5-AC1C-4800-B86D-E323938832C4
28
Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0027B39-58FA-4640-986E-50AE9DD967F9
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany