Andininy
Protestanta Malagasy
2
Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|004AB7BC-D71B-43DA-91F2-4C0350EB4B81
3
Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CF33D40-9B3A-407D-B53C-D88B7668E76C
4
Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E3F65F5-B623-465D-980D-BF5F709CEF08
5
Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova no tany (Sal.37.11).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|228762F3-10AF-4C40-B74B-93EE6C724ABB
6
Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3F51D30-205E-482E-AC54-BD23A5889C97
7
Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB5797FD-5BAC-499C-A689-B99A284D791C
8
Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an' Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B27D5AF-78DF-4A2F-B03F-0FD05E5DDC60
9
Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak' Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2488EBA-3A3E-44D5-8555-519E61B7838F
10
Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FEF2A6D-34D0-4C57-8AAF-00F3C8006899
11
Sambatra hianareo, raha haratsian'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C86CC965-8866-4772-9C90-69AEA71A284F
12
Mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB820400-FCE3-439F-B0C8-3B6D1C5755D7
13
Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahan'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3714B537-A1C8-45FD-A532-C23AEDB3576C
14
Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C16F787-CB71-4B9C-96E5-1FA4ED699D32
15
Ary koa, tsy misy mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1F4156A-5720-40B1-A4CD-0D6297D4674E
16
Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5DF3B40-5434-4C70-98AE-1E68B2412E82
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany