Matio 5: 22-24

Andininy
Protestanta Malagasy
22
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe : Olom-poana hianao, dia mendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia mendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DAA2CE3-3F97-44D6-966E-B28C713EAF7F
23
Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara hianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D86834C3-7080-4953-90F0-F8B78B83AF8B
24
dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D467D578-46EE-4E58-B6A4-890A84B252C6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany