Matio 5: 35-43

Andininy
Protestanta Malagasy
35
na amin'ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin'i Jerosalema, fa tanànan'ny Mpanjaka lehibe izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18643769-192C-4A57-91B5-CFEB63E52E91
36
Aza mianiana amin'ny lohanao; fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACF15163-A334-4B31-89E8-027C3C1AAE3F
37
Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ny ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45B86CD9-A103-40A1-9927-BC44708F26A7
38
Efa renareo fa voalaza hoe: Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify (Eks.21.24).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B412E770-0ACE-4D45-8E64-E86820E79957
39
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anao; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C69C6D32-2F1B-41BB-B3B9-2BF3D79D9072
40
Ary izay te-hiady aminao ka ta-haka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6D62CA5-090F-448C-BF8F-4A2C59E046C9
41
Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily iray, mandehana miaraka aminy maily roa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F60B616B-451E-41AA-92FF-B7140CE2A743
42
Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te-hisambotra aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5787F8D-E5B6-4029-AABB-76B8C1CA419D
43
Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao (Lev.19.18), ary mankahalà ny fahavalonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A9F5065-D843-4496-AC0B-E040B551B900
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany