Matio 5: 43-48

Andininy
Protestanta Malagasy
43
Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao (Lev.19.18), ary mankahalà ny fahavalonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A9F5065-D843-4496-AC0B-E040B551B900
44
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2502569C-A68E-4675-9A0A-661EE5A3137F
45
mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C16A9F28-C92C-4EC5-B412-B9CED6F5E0BC
46
Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA12095C-D41B-4E9D-9E74-624F94349432
47
Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCDA165E-8158-43A3-BEE4-A8C8DFD34736
48
Koa amin'izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2204B42-8B07-4945-A4D9-2D9EE8FF27C2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany