Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tandremo mba tsy hanao ny asan'ny fahamarinanareo eo imason'ny olona hahitany izany; fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin'ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9908A0DF-0E5A-4496-A533-AC69B89511CA
2
Koa amin'izany, raha manao fiantrana hianao, aza mba mitsoka trompetra eo anolohanao tahaka ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy eo amin'ny synagoga sy eny an-dàlambe mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D920AF8E-4F9D-47BD-8188-CE7DF79BD498
3
Fa hianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tànanao ankavia izay ataon'ny tànanao ankavanana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3DA340C-35D9-433F-9212-A0B39E71A4BA
4
mba hatao ao amin'ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA962FF9-19A9-4BD4-9FEA-5BF38C9C3B22
5
Ary raha mivavaka hianao, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin'ny synagoga sy eo an-joron-dàlana hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF0BE33C-36DE-49D0-85B9-3FBF64B00035
6
Fa hianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina ; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89541708-9AE7-4F1E-A8A4-541135040395
7
Ary raha mivavaka hianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51FFE7E1-432E-4D84-9534-71C5C68286EF
8
Koa aza manahaka azy hianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78F9DC52-638A-4FAE-9AE1-09F0EEDF4251
9
Koa amin'izany mivavaha toy izao hianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D1AF581-BDCE-4AA2-8702-33258C6DEB34
10
Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69B7D55F-54C5-432F-A433-1889E97596B7
11
Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BB7BA4C-F003-4567-B741-A58E15DFDCCD
12
Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|501A0F8D-DE07-4521-B8BC-D569DA5E7BD7
13
Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6803A23-9B4B-4772-BE56-BF5ADA1A5660
14
Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F54BFD93-6BEB-41C4-8BC9-F4811C8F7EEE
15
Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1EA4B93-0D1A-4FDA-A38B-9382DE1CC85B
16
Ary raha mifady hanina hianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay malahelo tarehy; fa mampisotisoty ny tavany izy mba ho hitan'ny olona fa mifady. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85E3F455-012E-47EA-B792-2FFFBDD64973
17
Fa hianao kosa, raha mifady hanina, dia hosory ny lohanao, ary sasao ny tavanao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92717F6C-A825-4F4B-A06C-420D5EE82E31
18
mba tsy ho hitan'ny olona fa mifady, fa ho hitan'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA4017F1-7CB3-43D7-BC8E-93C9FB2E2CB9
19
Aza mihary harena ho anareo ety an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85162A51-95BE-4BB7-8FA6-658406C203C9
20
Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B84D9E9E-7F14-40F2-AADF-3F43BA0DE99E
21
Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AC21295-1C90-4953-BBFE-8328053EE2C1
22
Ny maso no jiron'ny tena; koa amin'izany, raha tsara ny masonao; dia hazava avokoa ny tenanao rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C412DAAF-5FEF-4726-AC71-41EAC86A24C6
23
Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra; koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny halehiben'izany fahamaizinana izany!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCE93597-0644-41E0-A270-DF5E91F1A5FE
24
Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF3522B8-2605-4075-95E0-A89DDA752D06
25
Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafianareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8ED582A1-AC74-4821-A1DA-3F784A01CAF6
26
Tsinjovy ny voromanidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va hianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|037604A0-FC60-4DC3-9AF6-194F747C7A58
27
Ary iza ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany na dia kely monja aza?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|212812F5-6431-4392-B7C7-E40AC7CAB809
28
Ary nahoana no manahy ny amin'ny fitafiana hianareo? Diniho tsara ny fanirin'ny vonin-kazo any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23401EEC-4795-4ADC-91B3-434B061D3664
29
nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2592C41-4332-4C57-9B0C-62BB53E2BA90
30
Ary raha ny ahitra any an-tsaha, izay any ihany anio ka hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitafin'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va hianareo, ry kely finoana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FB29C44-76F4-43B9-B97E-F3075EC8B99C
31
Dia aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafianay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCE62457-98D3-456F-989C-CE0BEB396DF3
32
Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6CF49BF-395F-4B1E-B81C-A4B937548650
33
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBFA35DA-4D58-46FD-AC11-15ACE8CCAD11
34
Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso hianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4594FD6B-5327-4CF8-BFC4-B50DEAB07BA0
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany