Matio 6: 25-33

Andininy
Protestanta Malagasy
25
Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafianareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8ED582A1-AC74-4821-A1DA-3F784A01CAF6
26
Tsinjovy ny voromanidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va hianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|037604A0-FC60-4DC3-9AF6-194F747C7A58
27
Ary iza ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany na dia kely monja aza?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|212812F5-6431-4392-B7C7-E40AC7CAB809
28
Ary nahoana no manahy ny amin'ny fitafiana hianareo? Diniho tsara ny fanirin'ny vonin-kazo any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23401EEC-4795-4ADC-91B3-434B061D3664
29
nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2592C41-4332-4C57-9B0C-62BB53E2BA90
30
Ary raha ny ahitra any an-tsaha, izay any ihany anio ka hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitafin'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va hianareo, ry kely finoana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FB29C44-76F4-43B9-B97E-F3075EC8B99C
31
Dia aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafianay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCE62457-98D3-456F-989C-CE0BEB396DF3
32
Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6CF49BF-395F-4B1E-B81C-A4B937548650
33
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBFA35DA-4D58-46FD-AC11-15ACE8CCAD11
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany