Andininy
Protestanta Malagasy
1
Aza mitsara, mba tsy hotsaraina hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBAD6388-E0C7-43C3-BCAF-D61948363A3F
2
Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15633E1D-029E-49E2-941E-80BA77FD8E84
3
Ary nahoana hianao no mijery ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao, fa ny andry eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29B664D9-1D93-44EF-8EE9-5E22DD298743
4
Ary ahoana no hilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Aoka aho hanaisotra ny sombin-kazo eo amin'ny masonao; nefa indro, ny andry eo amin'ny masonao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E3C3CA1-C415-4006-B884-70ED0F80D4DE
5
Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C2DD695-9BD6-46FB-8585-C710B8728170
6
Aza omena ny alika izay masina; ary aza atsipy eo anoloan'ny kisoa ny vato soanareo, fandrao hanitsaka azy izy, dia hifotitra ka hamiravira anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEC5AD33-175D-486B-8C35-4975CDAAE900
7
Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dôndôny, dia hovohana hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0EF04F3B-A489-4961-8356-9A61FE3D51A6
8
Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandôndôna no hovohana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14848FB3-096A-45B1-BA22-EDF512098BC2
9
Ary iza moa aminareo, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41E83337-7B2D-4E66-B9B7-67A298316277
10
ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9964508F-5CC2-44A6-84DC-5968C95E1284
11
Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0D802DF-06D2-4EE8-A70C-740E4898170A
12
Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany fa izany no lalàna sy mpaminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4AAD2D9-81DF-48EB-9E4D-65E474EFD06E
13
Midira amin'ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38E48094-F044-4613-8733-1EB8B6F28739
14
Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA0DB96B-CBCE-4019-9EBD-16BF9D590A5B
15
Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin'ny fitafian'ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44F4610B-B2E6-4EFA-8E3E-4AC38A83BF8F
16
Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin'ny tsilo va ny olona, na aviavy amin'ny songosongo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB708817-87F2-4AE4-8C7D-5F071E215CF2
17
Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|372C0998-3EDB-4C41-8209-E6647CD27E27
18
Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DD3E2C3-F554-4503-8AAC-F9D859522A56
19
Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB9DE554-3DF8-471A-9B78-612F4D225C46
20
Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|165D1C8D-C16F-4F11-B7FF-5221FEA3075F
21
Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDB8F109-A7EB-47A2-9B81-362A22683AD7
22
Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko , tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64BCF846-FB68-4528-8E6A-FDB6CB633144
23
Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E922A9B1-ABFE-4116-AC43-63B5A89EC01C
24
Koa amin'izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatô azy, dia hoharina amin'ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|393A677A-1C3B-4BBD-BA2E-054C6982BC68
25
Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria efa naorina teo ambonin'ny vatolampy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5DF8FFF-547C-4783-85BD-BFED73B6D30E
26
Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatô azy, dia hoharina amin'ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny fasika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D562CBDA-B300-4CE0-89F2-A39D92FB5D72
27
Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny fianjerany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F13600F-3B61-47B4-9A41-A6B467F599E4
28
Ary nony efa vitan'i Jesosy izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47B7DE01-FFB7-4EA4-9F5F-A4F73A3076C2
29
satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CF84EEB-9E59-47D7-B50C-A20EC93B57BF
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany