Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary raha nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BECE1953-D329-4586-BEF3-02DBD19899B2
2
Ary, indro, nisy boka anankiray nanatona dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|905F5748-57D3-4DAF-ABE2-C0EEDFA24E6D
3
Ary Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova hianao. Dia nadio tamin'ny habokany niaraka tamin'izay izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F88D1567-5648-4489-A412-5EA90EAA619C
4
Ary hoy Jesosy taminy: Tandremo mba tsy hilaza amin'olona na dia iray akory aza hianao; fa mandehana, misehoa amin'ny mpisorona, ka mitondrà ny fanatitra izay nandidian'i Mosesy ho vavolombelona amin'ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52060E3B-B77B-41C3-B3F5-99D1623AE41A
5
Ary nony tonga tao Kapernaomy Jesosy, dia nisy kapiteny anankiray nankao aminy ka nitaraina taminy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABFDFE5A-1506-491E-A9B2-C9F6983581AE
6
nanao hoe: Tompoko ô, ny ankizilahiko mandry ao an-trano, mararin'ny paralysisa ka mijaly loatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19CED6F0-54E5-49B6-A429-8E9CCD8F165C
7
Dia hoy Jesosy taminy: Ho avy Aho hahasitrana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65FEE3ED-1F17-4E34-AE04-2830CA3692E7
8
Fa namaly ilay kapiteny ka nanao hoe: Tompoko, tsy mendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|984C4263-8897-4561-A226-CB241E5CC8AE
9
Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany ka manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy; ary amin'ny anankiray koa: Avia, dia avy izy; ary amin'ny andevolahiko: Ataovy izao, dia manao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99AA8368-AE68-41D7-AC72-7FADB0B69C0C
10
Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin'izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin'ny Isiraely aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEC3FB44-F1DF-4642-A63F-7D8300E03BE2
11
Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin'ny fanjakan'ny lanitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F08FB846-6CB9-4438-8952-F77A576C6010
12
fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana any amin'ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikotroha-nify.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25C4D590-2F02-488D-8B57-C502D0E109E2
13
Ary Jesosy niteny tamin'ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin'izany ora izany ilay ankizilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCA6F857-925B-40AE-AC5B-FBA081F66643
14
Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon'i Petera, dia nahita ny rafozambavin'i Petera nandry teo nanavin'ny tazo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF6E641B-A271-453E-B170-51F6F6625582
15
Ary nanendry ny tànany Izy, dia niala taminy ny tazo; dia nitsangana ravehivavy ka nanompo Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCA00641-619D-4BCF-A00E-5CE82575A1F1
16
Ary nony hariva ny andro, dia nentin'ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16699D99-3B7F-4FF9-BD1B-28B2819D7C2A
17
mba, hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika (Isa.53.4).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8982E8C2-86FF-4D05-A330-32F60C952161
18
Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka betsaka manodidina Azy, dia nanome teny hiala ho eny am-pita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F2F27FA-8B44-4FDC-A2A2-0FD4026BB91D
19
Ary nanatona ny mpanora-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho na aiza na aiza no halehanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFF6088F-8E91-466D-997D-6318D8644345
20
Fa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo manan-davaka; ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hipetrahan'ny lohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADEDC097-E733-4F1D-8992-57D262097413
21
Ary nisy hafa koa tamin'ny mpianatra niteny taminy hoe: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E95590E8-DF84-4481-8FC4-09FE61C4297A
22
Fa hoy Jesosy taminy: Manaraha Ahy; ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D12AFB94-C8D1-45F7-B440-501AB61B17A5
23
Ary nony niondrana an-tsambokely Izy, dia nanaraka Azy ny mpianany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B09126A-0A95-499B-BA83-F54B570A033D
24
Ary, indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin'ny ranomasina, ka dia efa nila ho voasafotry ny alon-drano ny sambokely; fa Izy natory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1940FC94-F35C-4C89-9176-9AFAA0C6BAE6
25
Ary nanatona izy ireo, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, vonjeo, fa maty izahay!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B568FCF-99FC-4964-B7E2-C1CFB38A4670
26
Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra hianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E18A876-5BEE-45B6-BF2C-84BDA291BD6A
27
Ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Lehilahy manao ahoana re Io, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38A7C54A-AAC6-459C-8EAE-04D2FDE53DFE
28
Ary nony tonga teny am-pita teo amin'ny tanin'ny Gadarena Izy, dia nifanena taminy ny demoniaka roa lahy, nivoaka avy teny amin'ny fasana, sady masiaka loatra, ka tsy nisy olona nahazo nandalo tamin'izany làlana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24438332-6D29-4A7B-93A2-2EF70D65338D
29
Ary, indro, niantso izy ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Zanak'Andriamanitra ô? Tonga ety va Hianao hampijaly anay alohan'ny fotoana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85B4EB6A-5113-4F5E-A1A8-C8447FA35ACE
30
Ary nisy kisoa maro andiany iray nihinana teny lavidavitra azy teny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|242CFF5B-AB86-4733-9314-C47A73C2B1C3
31
Ary ny demonia nifona tamin'i Jesosy ka nanao hoe: Raha avoakanao ary izahay, dia iraho hankany anatin'ireo kisoa andiany ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB54F594-3EA4-4543-A799-FB309D24AE02
32
Ary hoy Izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka ireo, ka lasa nankany anatin'ny kisoa; ary, indreny, ny kisoa andiany rehetra nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina, ka dia maty tany anatin'ny rano,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17126FFC-DE82-4386-AA8C-E2CE0B74D43A
33
ary ny mpiandry nandositra, dia nankany an-tanàna ka nilaza ny zavatra rehetra ny amin'ireo demoniaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E1BA752-39C5-4F06-BD03-9AB36677E9EF
34
Ary, indreo, nivoaka ny tao an-tanàna rehetra mba hitsena an'i Jesosy; ka nony nahita Azy izy, dia nifona taminy mba hiala amin'ny fari-taniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B210EB5-9CBA-4A2D-B291-48FB95F9BD1B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany