Matio 8: 28-34

Andininy
Protestanta Malagasy
28
Ary nony tonga teny am-pita teo amin'ny tanin'ny Gadarena Izy, dia nifanena taminy ny demoniaka roa lahy, nivoaka avy teny amin'ny fasana, sady masiaka loatra, ka tsy nisy olona nahazo nandalo tamin'izany làlana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24438332-6D29-4A7B-93A2-2EF70D65338D
29
Ary, indro, niantso izy ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Zanak'Andriamanitra ô? Tonga ety va Hianao hampijaly anay alohan'ny fotoana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85B4EB6A-5113-4F5E-A1A8-C8447FA35ACE
30
Ary nisy kisoa maro andiany iray nihinana teny lavidavitra azy teny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|242CFF5B-AB86-4733-9314-C47A73C2B1C3
31
Ary ny demonia nifona tamin'i Jesosy ka nanao hoe: Raha avoakanao ary izahay, dia iraho hankany anatin'ireo kisoa andiany ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB54F594-3EA4-4543-A799-FB309D24AE02
32
Ary hoy Izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka ireo, ka lasa nankany anatin'ny kisoa; ary, indreny, ny kisoa andiany rehetra nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina, ka dia maty tany anatin'ny rano,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17126FFC-DE82-4386-AA8C-E2CE0B74D43A
33
ary ny mpiandry nandositra, dia nankany an-tanàna ka nilaza ny zavatra rehetra ny amin'ireo demoniaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E1BA752-39C5-4F06-BD03-9AB36677E9EF
34
Ary, indreo, nivoaka ny tao an-tanàna rehetra mba hitsena an'i Jesosy; ka nony nahita Azy izy, dia nifona taminy mba hiala amin'ny fari-taniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B210EB5-9CBA-4A2D-B291-48FB95F9BD1B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany