Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary niondrana an-tsambokely Izy, dia nita ka tonga tao an-tanànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49DE442A-D375-44D0-BA22-5246E48CBD60
2
Ary, indro, nisy lehilay anankiray mararin'ny paralysisa nandry tamin'ny fandriana nentin'ny olona teo aminy; ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3FEFD8D-04B3-48B5-BF0B-28A50B671582
3
Ary, indreo, ny mpanora-dalàna sasany nanao anakampo hoe: Miteny ratsy ity Lehilahy ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0E3A3AA-AABC-4042-BE2E-C0F5E00502F3
4
Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia nanao hoe: Nahoana hianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46CEDA84-9552-41BB-89B4-433684F98542
5
Fa iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84CCE8B8-8F51-4EE5-AB64-646AD42930D8
6
Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana ety ambonin'ny tany hamela heloka (dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa): Mitsangana, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39F15E60-07F6-4629-9907-6DE2218A115D
7
Dia nitsangana izy ka lasa nody tany an-tranony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBB4FEF8-80C4-486C-8DEF-C0FC4D48C3ED
8
Ary ny vahoaka, raha nahita izany, dia raiki-tahotra ka nankalaza an'Andriamanitra, Izay nanome ny olona fahefana toy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FCC5950-9FA6-4E12-A052-A7BDBA521BA6
9
Ary nony niala teo Jesosy, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy; Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana Matio ka nanaraka Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5844C2EA-DE28-4960-B01C-38CFA8738F2C
10
Ary raha nipetraka nihinana tao an-trano Izy, indreo, nisy mpanota sy mpamory hetra maro tonga ka niara-nipetraka tamin'i Jesosy mbamin'ny mpianany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB21C4AA-A949-4D3A-A772-0020BEE45A83
11
Ary ny Fariseo, raha nahita izany, dia niteny tamin'ny mpianatra hoe: Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|101F8956-FAA1-44FF-825C-611ED072018D
12
Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4493E17-6E2F-4142-8FAB-7E118815EE53
13
Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra (Hos.6.6); fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A4EB0A9-B78C-4C10-834A-9511E8964357
14
Dia nankany amin'i Jesosy ny mpianatr'i Jaona ka nanao hoe: Nahoana izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77AA17EC-7520-46E9-9194-7F087B2CCCDA
15
Ary hoy Jesosy taminy: Moa mahay misaona va ny havan'ny mpampakatra, raha mbola ao aminy ny mpampakatra? Fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izay vao hifady izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51B7D730-CAE9-48FF-9AB7-A062B919CA47
16
Ary tsy misy olona manampina lamba tonta amin'ny tapa-damba tsy mbola voalôna; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny lamba, ka hitatra ny triatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5F14CD8-6E95-4943-9AA7-532DDD2BE860
17
Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian'ny olona divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A45B27B6-4EBA-4289-9D4F-2AFAF3675A60
18
Raha mbola nilaza izany taminy Izy, indro, tonga ny mpanapaka anankiray, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Maty ankehitriny izao ny zanako-vavy; fa andeha re, mametraha ny tànanao aminy, dia ho velona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1893AB07-1A94-42F0-923A-7926B72352AA
19
Dia nitsangana nanaraka azy Jesosy mbamin'ny mpianany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F014DB8-8FDC-4C3F-946E-EE8D1CCC2934
20
Ary, indro, nisy vehivavy anankiray, izay efa nararyroa ambin'ny folo taona, nankeo ivohony ka nanendry ny somotraviavin-dambany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B657EF9-5239-4443-A189-BD1EDB0E06EA
21
Fa hoy izy anakampony: Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitranaaho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1562DA8-9767-4CF2-820D-7790E75E1BC0
22
Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitranaanao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin'izay ora izay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|894E566E-D106-4CFA-80F4-E6D01D245988
23
Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon'ilay mpanapaka ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|704211D3-A3CD-43C1-9C50-7BFFEFF88ADA
24
dia nanao hoe: Mivoaha; fa tsy maty razazavavy, fa matory. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A2C2D1A-FA0C-472E-92BE-37E7EDA0ED73
25
Ary nony efa navoaka ny olona, dia niditra Jesosy ka nandray ny tànan-drazazavavy, dia nitsangana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25EC2D0F-5DE0-43F6-9E31-5E86E72506E6
26
Ary ny lazan'izany dia niely tamin'izany tany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB259F41-9A5E-4624-BD9D-8179C9C853F0
27
Ary nony niala teo Jesosy, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsiantso hoe: Mamindrà fo aminay, ry Zanak'i Davida ô!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B222ED7A-BB52-4C8B-B74D-A674DDDF3E42
28
Ary rehefa niditra tao an-trano Izy, dia nanatona Azy ireo jamba; ary hoy Jesosy taminy: Mino va hianareo fa mahay manao izany Aho? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|391441CE-953E-4450-9B37-DD28D64619B4
29
Dia nanendry ny masony Izy ka nanao hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35D4A90A-FFB5-4654-BE79-F0DA4C33DF42
30
Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy mafy ka nanao hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr'olona izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|993FDE76-9FC7-4F05-9C71-23D09C4293B8
31
Kanjo nony niala teo izy roa lahy, dia nampiely ny lazany tamin'izany tany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF3DFA0C-57C5-4F80-81F2-D476E89FB8C4
32
Ary rehefa nivoaka ireo, dia indro, nisy lehilahy moana anankiray izay demoniaka nentin'ny olona tany amin'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52D6475D-139C-41B3-9A30-8A4D18D3A031
33
Ary rehefa navoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka ka nanao hoe: Tsy mbola nisy niseho toy izao tamin'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39A13364-77D7-4D55-AC3F-578A58B109F9
34
Fa ny Fariseo kosa nanao hoe: Ny lohan'ny demonia no amoahany ny demonia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60EFDAFE-54C5-47F2-8D28-F3E10758B060
35
Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin'ny synogoga sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39C8B726-4018-4EF3-9AA1-3D3DCB617506
36
Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C96F68C-C422-49C5-8C9D-828649D0A924
37
Dia hoy Izy tamin'ny mpianany:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|679164DD-4A47-4E0B-BC01-878A554948CF
38
Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F77C9436-8C43-4882-90B1-7FA10BFB8B54
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany