Marka 1: 1-13

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny niandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A0EA9AF-E364-4951-89AE-44EB7D0ED677
2
Araka izay voasoratra ao amin'Isaia mpaminany hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny làlanao (Mal 3.1);
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|972C9F46-4D40-46EA-AF40-BB4A4BAC175E
3
Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny làlan'i Jehovah, ataovy mahitsy ny làlan-kalehany (Isa 40.3),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3A8CDC7-2B12-47BC-8406-80A015337F4C
4
dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19281F9B-87DB-4471-948F-4CB70260F7DD
5
Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|998E8DAC-6C7A-49E4-9D10-1B20995AAC23
6
Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EACAD253-C055-497C-BABB-E65E7940463A
7
Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87DC96D9-B5FD-4DD4-9E60-3CB73E97D903
8
Izaho efa nanao batisa anareo tamin'ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF786D30-DD41-4754-8D26-89090B9308B9
9
Ary tamin'izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesosy ka nataon'i Jaona batisa tao Jordana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D67E31C6-055D-4D03-81B5-C36FFA93B326
10
Ary raha vao niakatra avy teo amin'ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97653E6A-73F3-4AF9-9E1E-BE2614973182
11
Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47951186-AD48-4987-B55A-14E12F9BDEDC
12
Ary niaraka tamin'izay dia nampandehanin'ny Fanahy ho any an-efitra Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13AC6B70-D459-4734-9ECC-A291D01813EE
13
Ary tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain'i Satana fanahy; ary ny anjely nanompo Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D632986C-CC65-4EA6-81D6-A173C4C68889
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany