Marka 10: 1-52
Toriteny na fanazavàna - "Le coeur dur" 
Toriteny na fanazavàna - "Comment suivre Jésus?" 
Toriteny na fanazavàna - "Savez-vous ce que vous demandez?" 

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary niainga niala teo Jesosy, dia tonga tany amin'ny sisin-tanin'i Jodia sy tany an-dafin'i Jordana; ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo aminy; koa araka ny fanaony dia nampianatra azy indray Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95097A77-B86A-4EBE-BD6C-2A0FE54FEDD9
2
Ary nisy Fariseo nanatona Azy, dia naka fanahy Azy ka nanontany hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4F6A66F-2C77-4864-BD57-8341F615B813
3
Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Ahoana no nandidian'i Mosesy anareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40BFD86C-AD42-4D9E-9307-33534AB69391
4
Ary hoy izy: Navelan'i Mosesy hanoratra taratasy fisaoram-bady ny lehilahy ka hisao-bady (Deo.24.1).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE52E0EE-CF33-4F40-99F4-812EB93323E4
5
Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C1AC72D-0B24-4590-BB45-1451668D3138
6
fa hatramin'ny fony vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona (Gen.1.27).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5B6503B-0395-4C31-AF1A-5815F0B7E6F1
7
"Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19F35FB2-9199-42EB-81A1-016D41B5C699
8
ary ho nofo iray izy roroa"(Gen.2.24); ka dia tsy ho roa intsony izy, fa ho nofo iray ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5E74C1F-09D8-45FF-9D4D-ADAA9ED24ED1
9
Koa izay nakamban'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75273588-E9F3-493F-A7F0-33EDA838D404
10
Ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny amin'izany koa ny mpianatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4093834B-6905-4984-9CBF-8308CF8B3288
11
Ary hoy izy taminy: Na zovy na zovy no misao-bady ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga ka manala-baraka ny vadiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A56CEB78-B5AB-4796-8D92-973B2CE6AB21
12
Ary raha ravehivavy kosa no misaotra ny lahy ka manambady olon-kafa, dia mijangajanga izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CB2B3EC-0B2A-46D5-B46E-3E652CDBD768
13
Ary nisy nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tànana; fa ny mpianany niteny mafy ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83716488-AD95-4987-A767-3C11DED8B66B
14
Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69F76CEE-86E5-4496-BDF6-742F9087DFD2
15
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A187458-6107-4E95-B09D-58201185BBB6
16
Ary nitrotro azy Izy, dia nametra-tànana taminy ka nitso-drano azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BA0E6A7-EDF8-410C-8C57-BFAB24C704EE
17
Ary nony vao nivoaka nankeny an-dàlana Jesosy, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C17D8EAC-FDEE-4F31-80C6-717C32EA6E4F
18
Ary hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|271AE4BA-C0B6-477F-8ED1-7E26B0A90B64
19
Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga,Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks.20.12.17).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA48450A-64CA-4FF1-A684-6355AEA007E3
20
Ary hoy izy taminy: Mpampianatra ô, izany rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|637C8274-3736-43FE-9313-EC2A434FB907
21
Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha hianao; mandehana; amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BBC4B9A-7D26-463E-AB50-64297DF39186
22
Dia nanjombona tery ny tarehiny tamin'izany teny izany, ka niala tamin'alahelo izy, satria nanana harena be.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40FE2363-8374-4980-AE2E-C41170C8117A
23
Ary Jesosy nijery manodidina ka nanao tamin'ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AE38B23-1EE5-464C-9395-D2AD7EA48928
24
Ary ny mpianatra dia gaga tamin'ny teniny. Fa Jesosy namaly indray ka nanao taminy hoe: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny matoky ny harena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEF71631-2851-4876-8F25-038B3DA55D1F
25
Moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7F0AA05-03C1-4851-B3AD-09D4AF9C0871
26
Dia talanjona indrindra izy ka nanao taminy hoe: Iza indray no azo hovonjena?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62C2503F-07C3-4A87-946B-02510598E03E
27
Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin'ny olona dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin'Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|384AAB59-6636-4A2B-90E6-1775695B3A6A
28
Ary hoy Petera taminy: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB77C051-38F6-45FD-954C-C5D106FFBADF
29
Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5AE2918F-7A75-4438-9D74-B59FA825C224
30
ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao- dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C7C10DB-6718-43F0-BAC5-035673D219B8
31
Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E006BB4B-C7AA-43F4-88CD-DD97F6FCE39F
32
Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dàlana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha eo alohany; dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa ambin'ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D3C0921-6DBF-421C-AB9A-3913191BF011
33
ka nanao hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak'olona hatolotra ho amin'ireo lohan'ny mpisorona sy mpanora-dalàna; ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin'ny jentilisa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68BFA3BA-6F26-4924-82F2-4BF9E82B4BFD
34
ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBA7631F-F557-484C-9817-C3120954DAD4
35
Ary Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, nanatona an'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay angatahinay aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|579F9B89-D9B1-4C4F-AFFE-81F65142FC15
36
Ary hoy Izy taminy: Inona moa no tianareo hataoko aminareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAEEC147-6B64-4A08-B204-CD4F377B604F
37
Dia hoy izy mirahalahy taminy: Mba ekeo ny hipetrahanay, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny ankavianao, any amin'ny voninahitrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDCDB245-C10D-4608-B416-437F5762E160
38
Fa hoy Jesosy taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hianareo va ny hisotro amin'ny kapoaka izay sotroiko, na ny hatao batisa amin'ny batisa izay anaovana Ahy batisa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|166E4725-B8FC-42F8-B2CB-2DA26C21BCED
39
Dia hoy izy mirahalahy taminy: Hainay ihany. Ary hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay sotroiko, dia hosotroinareo ihany, ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|336A3F4F-8398-4E42-9ACB-FC02F5934E81
40
fa ny hipetraka eo an-tànako ankavanana na eo an-tànako ankavia kosa, dia tsy Ahy ny hanome izany, fa izay nanamboarana izany ho homena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37429743-8F15-49AA-8610-EE473BDC263C
41
Ary nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra noho ny nataon'i Jakoba sy Jaona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71C31CAC-E776-4BA4-968C-1C7506D61F58
42
Fa Jesosy niantso azy hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Fantatrareo fa izay eken'ny jentilisa ho mpanapaka dia mampanompo azy, ary ny lehibeny dia mifehy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D742B8DC-1B69-4624-879F-D29A532DA057
43
Fa tsy mba toy izany aminareo; fa na iza na iza no te-ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanompo anareo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AF46E0A-10BC-451E-AA1A-B51A1ABEEF53
44
Ary na iza na iza no te-ho ambony eo aminareo, dia ho mpanompon'izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7F737BD-5319-4A61-9867-FF44CA77410A
45
Fa ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F969F378-7D25-4767-90FE-23AB8461EBEC
46
Ary tonga tao Jeriko izy; ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin'ny mpianany sy ny vahoaka betsaka, dia nipetraka teo amoron-dàlana Bartimeo jamba mpangataka, zanak'i Timeo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA9FDAB3-23AC-46AE-9ECA-6BB994918F52
47
Ary nony reny fa, injay! Jesosy avy any Nazareta, dia niantso izy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|918BA9CC-E2DB-4328-BA31-E13EFB88E992
48
Ary maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A8AD7D6-A83B-4AAC-B49E-041C884319C8
49
Ary Jesosy nijanona, dia nanao hoe: Antsoy ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao taminy hoe: Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D153270-5268-4BEE-B878-38F47C77F14E
50
Dia nanary ny lambany izy ka niantsambotsambotra nankeo amin'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D632DA46-3774-4FCC-9F22-3222884238A4
51
Ary Jesosy namaly azy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Ary hoy ilay jamba taminy: Rabôny ô, ny mba hampahiratina ny masoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|410C237B-A7F9-48A3-A3A0-9BBC0359C064
52
Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana hianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dàlana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60C405CD-267B-47E6-8C35-C4010D4E9B6A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany