Marka 10: 46-52
Toriteny na fanazavàna - "Le coeur dur" 
Toriteny na fanazavàna - "Comment suivre Jésus?" 
Toriteny na fanazavàna - "Savez-vous ce que vous demandez?" 

Andininy
Protestanta Malagasy
46
Ary tonga tao Jeriko izy; ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin'ny mpianany sy ny vahoaka betsaka, dia nipetraka teo amoron-dàlana Bartimeo jamba mpangataka, zanak'i Timeo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA9FDAB3-23AC-46AE-9ECA-6BB994918F52
47
Ary nony reny fa, injay! Jesosy avy any Nazareta, dia niantso izy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|918BA9CC-E2DB-4328-BA31-E13EFB88E992
48
Ary maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A8AD7D6-A83B-4AAC-B49E-041C884319C8
49
Ary Jesosy nijanona, dia nanao hoe: Antsoy ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao taminy hoe: Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D153270-5268-4BEE-B878-38F47C77F14E
50
Dia nanary ny lambany izy ka niantsambotsambotra nankeo amin'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D632DA46-3774-4FCC-9F22-3222884238A4
51
Ary Jesosy namaly azy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Ary hoy ilay jamba taminy: Rabôny ô, ny mba hampahiratina ny masoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|410C237B-A7F9-48A3-A3A0-9BBC0359C064
52
Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana hianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dàlana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60C405CD-267B-47E6-8C35-C4010D4E9B6A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany