Marka 12: 1-44
Toriteny na fanazavàna - "La place de la Parole de Dieu dans ma vie (suite)" 
Toriteny na fanazavàna - "Tu aimeras ton Dieu et ton prochain" 

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary niteny taminy Izy ka nanao fanoharana hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanimboaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady famiazana ary nanao tilikambo, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia lasa nankany an-tany hafa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6EF8509-3171-47A7-B5E9-4109E0A21DC4
2
Ary nony tonga ny fotoana, dia naniraka mpanompo anankiray izy hankany amin'ny mpiasa tany handray amin'ny vokatry ny tanimboaloboka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74D99DC9-8976-4C4F-A980-E8B93AC2DB44
3
Fa ireo nisambotra ilay mpanompo sady nikapoka azy ka nampiala azy maina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0197D2C-EB47-482B-87CE-087E83FA55E1
4
Ary izy naniraka mpanompo anankiray koa ho any aminy indray, fa io koa, dia noratrainy ny lohany, ka nalany baraka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3DC075C-AC58-4D35-8F80-D88ECB48019B
5
Ary naniraka anankiray koa izy, fa io kosa indray dia novonoiny ho faty; ary maro koa no nirahiny, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny ho faty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50F6CCD7-CD9F-444E-824E-CC62EDE60C0C
6
Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zanani-lahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CCA8DBB-53EF-43F0-A085-0A6DF5337074
7
Fa izany mpiasa tany izany niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho antsika ny lova.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1254149-57CB-4367-A796-082D12DE3FFA
8
Ary rehefa nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy namoaka azy teo ivelan'ny tanimboaloboka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9AF6D2D-81EA-4CA6-993D-7306A1C60A55
9
Koa ahoana no hataon'ny tompon'ny tanimboaloboka amin'izany! Ho avy izy, dia handringana ny mpiasa tany, ka homeny olon-kafa ny tanimboaloboka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|018C1133-1EB8-49F9-8F87-CB0BBE95CCDF
10
Ary tsy mbola novakinareo va izao Soratra Masina izao:"Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, dia izy no efa natao fehizoro;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9F1CD2C-6B38-467C-A086-595199EDE4D8
11
Avy tamin'i Jehovah izao ka mahagaga eo imasontsika?"(Sal.118.22.23).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BE8C2EF-2D39-4A70-AB04-4F8086CAA1A3
12
Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa natahotra ny vahoaka izy, satria fantany fa ny tenany no nolazainy tamin'izany fanoharana izany; dia nandao an'i Jesosy ny olona ka lasa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79CC5813-9FDE-4FBA-8B98-1C8FEFE27762
13
Ary nirahiny hankeo amin'i Jesosy ny sasany avy tamin'ny Fariseo sy ny Herodiana hamandrika Azy amin'ny teniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7214C2F8-2F6E-4DCB-803D-3B03ED759173
14
Ary rehefa tonga izy ireo, dia nanao taminy hoe:Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao, ka tsy mampaninona Anao ny hevitry ny olona, fa tsy mba mizaha tavan'olona Hianao, fa mampianatra marina ny làlan'Andriamanitra. Mety va ny mandoa vola hetra ho an'i Kaisara, sa tsia?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2702C147-5E9B-4580-818C-6FAB3AD43A09
15
Handoa va izahay, sa tsy handoa? Fa Izy nahalala ny fihatsarambelatsihiny, ka dia nanao taminy hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy hianareo? Itondray denaria ety amiko hizahako azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5440CFFC-F519-4885-A3C1-1EF8C21A5948
16
Dia nitondrany Izy. Ary hoy Izy taminy: An'iza io sary sy soratra io? Ary hoy izy taminy: An'i Kaisara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|376B0B12-BA18-42B8-9815-685EDD7B91E9
17
Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra. Dia gaga taminy ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65641E3C-1771-4DF9-8E80-65CA96DD09A5
18
Ary ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, dia nisy sasany tonga teo aminy ka nanontany Azy hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D740185D-37A4-491E-974F-A1CF8C906A69
19
Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin'ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra azy hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo.25.5).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B108AFF-5880-4438-8CB3-65A5EB16398C
20
Nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F44F6B7D-757A-45CB-AE1F-B43415AA7C6D
21
Ary ny faharoa nampakatra an-dravehivavy, dia maty momba koa; ary ny fahatelo dia toy izany ihany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B47A17F-F4D8-4CA4-BDDF-CBBA67275070
22
Ary izy fito mirahalahy dia samy maty momba avokoa. Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3676802-45D5-4BAD-95D3-2CE40BF73EF7
23
Koa amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin' iza moa ravehivavy, satria efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D291393C-FBB3-4C48-9A40-3D3AE453CDA7
24
Ary hoy Jesosy taminy: Tsy izao tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny herin'Andriamanitra izao va no mahadiso hevitra anareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F80A6AF-8514-4D24-B7DE-92DC69D834DC
25
Fa amin'ny hitsanganana amin'ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina; fa tahaka ny anjely any an-danitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55371EF1-B76A-4E32-A7D5-3DB7F1F93E56
26
Ka ny amin'ny hananganana ny maty, tsy mbola novakinareo va ny eo amin'ny bokin'i Mosesy, eo amin'ilay teny milaza ny Voaroy, dia ny nanaovan'Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr' Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba? (Eks.3.6).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5EE15B9-D6B5-4A3A-B15C-5040D4860083
27
Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an'ny velona; koa diso indrindra hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7FFE281-78E0-403E-99BB-13BBB754DAB4
28
Dia nanatona an'i Jesosy ny mpanora-dalàna anankiray, izay efa nahare ny niadiany hevitra tamin'ny Sadoseo ka nahalala fa namaly azy tsara Izy. Dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana no voalohany amin'izy rehetra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1943C043-87EA-4F42-BE9F-2A1B7152973A
29
Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao: "Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitra iray ihany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9935DDB-735A-4AAC-8071-0A704CEE5320
30
koa tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra"(Deo. 6.4.5)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64A6E8DE-081C-41AC-A4EC-F17DBE7F26FA
31
Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev.19.18 ) Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AE70602-2A69-4597-B961-20483DB5E57E
32
Ary hoy ilay mpanora-dalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D90CE6AB-2978-47E5-976A-F06809B1F216
33
Ary ny ho tia Azy amin'ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31E32D94-4FAB-4D22-B7E6-A31AEFCB23A1
34
Ary raha hitan'i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan'Andriamanitra hianao. Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73EBB601-16D3-4E06-A2C5-9679DF8F4B64
35
Ary Jesosy, raha nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly, dia namaly ka nanao hoe: Ahoana no lazain'ny mpanora-dalàna fa Kristy no Zanak'i Davida?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF0566D3-C7BF-4E5B-AF31-6D76548FB5BE
36
Kanefa ny tenan'i Davida dia nampilazain'ny Fanahy Masina hoe: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tànako ankavanana ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao(Sal.110.1)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D0B6291-56FE-4D28-8444-FBC033B99757
37
Ny tenan'i Davida manao Azy hoe:Tompoko, koa ahoana no maha-Zanany Azy? Ary ny vahoaka betsaka nihaino Azy tamin'ny hafaliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|075BC165-2E70-4A25-AD76-A3ABCAB34899
38
Ary hoy Izy tamin'ny fampianarany: Mitandrema ny amin'ny mpanora-dalàna, izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava sy te-hoharahabain'olona eny an-tsena,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BB741F2-8808-429C-BD12-88DFA1229A8A
39
ary tia ny fipetrahana aloha ao amin'ny synagoga sy ny fitoerana aloha ao amin'ny fanasana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D33C65D-A771-45A0-AE8C-4C45A629EB85
40
ary mandany ny tranon'ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo no hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B75623B4-9333-4D2E-B373-DFB6376562C5
41
Ary raha nipetraka tandrifin'ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka vola tao Izy; ary maro ny mpanan-karena nandatsaka be tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24B7BAE5-3A44-4717-A5C4-903D45577689
42
Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka faratsakelyroa ankevitry ny variroaventy avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32F82C2D-72AA-4664-82E6-AC6C9F81C339
43
Ary Jesosy niantso ny mpianany hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin'ny fandatsahan-drakitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB604C05-5758-455B-A665-D00659206591
44
Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany no nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin'ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBDE6260-9DE9-4728-A2C7-FCE537B925D2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany