Marka 12: 28-34
Toriteny na fanazavàna - "La place de la Parole de Dieu dans ma vie (suite)" 
Toriteny na fanazavàna - "Tu aimeras ton Dieu et ton prochain" 

Andininy
Protestanta Malagasy
28
Dia nanatona an'i Jesosy ny mpanora-dalàna anankiray, izay efa nahare ny niadiany hevitra tamin'ny Sadoseo ka nahalala fa namaly azy tsara Izy. Dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana no voalohany amin'izy rehetra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1943C043-87EA-4F42-BE9F-2A1B7152973A
29
Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao: "Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitra iray ihany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9935DDB-735A-4AAC-8071-0A704CEE5320
30
koa tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra"(Deo. 6.4.5)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64A6E8DE-081C-41AC-A4EC-F17DBE7F26FA
31
Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev.19.18 ) Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AE70602-2A69-4597-B961-20483DB5E57E
32
Ary hoy ilay mpanora-dalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D90CE6AB-2978-47E5-976A-F06809B1F216
33
Ary ny ho tia Azy amin'ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31E32D94-4FAB-4D22-B7E6-A31AEFCB23A1
34
Ary raha hitan'i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan'Andriamanitra hianao. Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73EBB601-16D3-4E06-A2C5-9679DF8F4B64
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany