Marka 13: 1-37
Toriteny na fanazavàna - "Veillez!" 

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nony niala teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mpampianatra ô, akory re ireto vato sy rafitra ireto!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2AE9A97-4DB4-47AF-9829-0232A973A0DF
2
Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E5514F2-D0AA-4F58-9F41-A0971BE14720
3
Ary raha nipetraka teo amin'ny tendrombohitra Oliva tandrifin'ny tempoly Izy, dia nanontany Azy mangingina Petera sy Jakoba sy Jaona ary Andrea hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A546B843-2CCD-4889-A36F-C66CA06BE6AE
4
Lazao aminay: Rahoviana no hisy izany? Ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany rehetra izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26A385B4-C883-45A1-BC09-E63FF05FD18A
5
Ary Jesosy nilaza taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA9932CA-8E71-4913-9733-7538ADE84E2F
6
Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Izy, ka maro no ho voafitany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91255639-CEB7-447F-B36D-1785ACB3A3C1
7
Ary raha mandre ady sy filazana ady hianareo, dia aza matahotra; tsy maintsy hisy izany, nefa tsy mbola tonga ny farany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35B9278B-2934-4F4B-A4E3-9D21B419A138
8
Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana ary hisy horohorontany any amin'ny tany samy hafa sady hisy mosary; izany ho fiandohan'ny fahoriana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9125AC1C-C5C0-4D15-975F-60624DA9A631
9
Fa mitandrema hianareo, fa hatolotra amin'ny Synedriona sy hokapohina ao amin'ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko hianareo ho vavolombelona aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31453FFA-8A71-4416-A71A-170FFC7F1830
10
Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60BD3C29-41B6-4702-9D9C-FC9B616CAAFA
11
Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo amin'izany ora izany no ho lazainareo; fa tsy hianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC85780A-979C-4C43-AFC1-EC473F7D0C08
12
Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin'ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD00CE09-7ACB-4143-A0D7-67CF7F23E0CF
13
Ary ho halan'ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DE23231-2856-4FCE-800B-2CC68A6C51C4
14
Fa raha hitanareo mitsangana amin'izay tsy mety hitsanganany ny fahavetavetan'ny fandravana(Dan.12.11.9.27) (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85E0A00E-8312-4579-8D77-2FE1D51E8D9A
15
Ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17DBE881-8B24-462D-B14C-ED811FBBA236
16
Ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|028A90CA-4149-4EAC-8A33-93887CDC1EF2
17
Ary lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE271CDB-AECA-4B69-88DA-92AB26C138A9
18
Fa mivavaha hianareo mba tsy ho amin'ny ririnina izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1ADF6E42-7542-4829-BEFC-A34DC41ECF90
19
Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan'Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|988D5B88-2289-469D-A09D-4A3C855005C4
20
Ary raha tsy nohafohezin'ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B78CF38-DE97-4943-BE2D-D4621ADBFA0C
21
Ary amin'izay raha tàhiny misy olona manao aminareo hoe: Indro, ety Kristy, na: Indro ery; aza mino hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8DD2810-4E12-42F6-A2F2-19486CB442F7
22
Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana,ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|557460EB-C823-4435-888D-FEBD441431D0
23
Fa mitandrema kosa hianareo; indro, efa voalazako taminareo rahateo ny zavatra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|586952BC-4287-43D2-B109-49C00051EAD1
24
Fa amin'izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB33E480-3D36-407D-A7F1-F4BDD4BA1E5A
25
ary ny kintana hiraraka avy eny amin'ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin'ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D60EDED5-5CD6-441A-A2BB-6FC498E90EC2
26
Ary amin'izay ny Zanak'olona dia ho hita avy eo amin'ny rahona amin'ny hery lehibe sy ny voninahitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF1AC238-296F-4DC5-8D58-168320AE862C
27
Ary amin'izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny faran'ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC8FB1CA-D76E-40E0-8848-F94328A3148A
28
Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy; Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny loha-taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8375C417-75DB-488A-9945-39C1D22BF2F3
29
Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky eo am-baravarana Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65FDA4CD-0626-408F-B0FD-039518256A0F
30
Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7AFBDDCA-F675-43F5-992C-57F7CD36A554
31
Ny lanittra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF2F781F-C960-433F-A047-C25EBFF073DE
32
Fa ny amin'izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4295B120-3BA6-4EB1-90B1-1DEF1003B620
33
Mitandrema, miambena,ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88ABF02D-9F85-4689-9793-E24412FA936A
34
Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3DFF409-4206-4361-BAFC-AABB6C097911
35
Koa miambena hianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na maneno akoho, na ho maraina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4F49122-899C-4362-914A-1D679085A7E3
36
fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4307D92-5CDE-4427-BFC4-DE932F929B5C
37
Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny olona rehetra koa: Miambena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A3C1164-9FB8-4142-9F1E-577B0D5ED78A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany