Marka 14: 1-72
Toriteny na fanazavàna - "La profusion de l'amour de Dieu" 
Toriteny na fanazavàna - "Sur quoi se fonde ton amour pour le Seigneur?" 

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Rehefa indroa andro no sisa tsy hahatongavan'ny Paska, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nitady hisambotra an'i Jesosy tamin'ny fitaka ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|374677C1-3CCC-4117-BB27-054B51DC596D
2
Nefa hoy izy: Tsy amin'ny andro firavoravoana, fa ndrao hampitabataba ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E6AB30A-ED1B-4840-8532-CB74A2044AFB
3
Ary nony tany Betania Jesosy tao an-tranon'i Simona boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra; dia novakiny ny tavoara, ka naidiny tamin'ny lohan'i Jesosy ny menaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C47C490-3434-4CEC-B749-EE78D3FCEB65
4
Ary nisy ny sasany tezitra ka nifampilaza hoe: Inona no anton'izao fandaniam-poana ny menaka manitra izao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F9C7BC7-E959-4520-893C-E610EEACBED4
5
Fa azo namidy ho lafo tsy omby denaria telon-jato iny menaka manitra iny ka homena ny malahelo. Dia tezitra indrindra tamin-dravehivavy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDA76656-05A0-4A69-9CA6-C4F86D509F7D
6
Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy; nahoana hianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E95010C-62EF-4A2C-A61F-87AF197C71C5
7
Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana no oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao hianareo; fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|675B37A0-3FC4-42F9-9D54-A58A2454E9FD
8
Efa nanao izay azony natao izy: namonjy nanosotra ny tenako hanamboarany Ahy halevina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66CAA7D2-07F8-4089-A02F-B30744ADD3CD
9
Ary lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin'izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03533ACE-AED3-4657-BFB3-91B3E09273E9
10
Ary Jodasy Iskariota, ilay isan'ny roa ambin'ny folo lahy, dia nankao amin'ny lohan'ny mpisorona hamadika an'i Jesosy aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09B062E3-FE5E-487C-A6CC-9B8BB18998C9
11
Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia faly ka nanaiky hanome vola azy. Ary Jodasy dia nitady izay andro hahazoany mamadika Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A44FB231-E570-4F06-8EB6-46774C6B4F61
12
Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1095105-C44E-4F4B-B4A9-3FA128A9DFC0
13
Dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Mankanesa any an-tanàna, ary hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; dia manaraha azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9382123B-F263-4166-A613-99F974EC5917
14
Ary lazao amin'ny tompon'ny trano izay hidirany hoe: Izao no lazain'ny Mpampianatra: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin'ny mpianatro?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE908DD3-629A-4BE8-81FD-FBFE1D587BE0
15
Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana izay voaisy fipetrahana sady voavoatra tsara; any no amboary ho antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56A898DE-84DA-4850-A666-D4841E39C18F
16
Ary ny mpianatra nandeha, dia tonga tany an-tanàna ka nahita araka izay nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD7E2211-6F6F-4835-A4D0-9C7060614541
17
Ary nony hariva ny andro, dia tonga Izy sy ny roa ambin'ny folo lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|956C26F9-060C-4699-8314-EDE4E14B8709
18
Ary raha nipetraka nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo, dia izay iray miara-mihinana amiko, no hamadika Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2165F5F-37BF-48E1-BFFC-58A1D8D8F1DF
19
Dia nalahelo izy, ka samy nanontany Azy tsirairay hoe: Izaho va izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A68615E-01D1-491F-BEDE-33F7BA757B30
20
Ary Izy nanao taminy hoe: Izay anankiray amin'ny roa ambin'ny folo lahy miara-manatsoboka amiko ao anatin'ny lovia no izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1EF0BD6-C54C-4198-8BC2-5D71375FAC70
21
Fa ny Zanak'olona dia mandeha tokoa, araka ny nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! Tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C68490E-D406-491C-8852-BC1C6166BEAD
22
Ary raha mbola nihinana izy, Jesosy nandray mofo; ka nony efa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy ary nataony hoe: Raiso, ity no tenako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B60FA72D-228F-400B-842C-A59E112C9C61
23
Dia nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy; ka dia nisotroan'izy rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D44C8AFA-5E7E-4DD2-920F-273739A6E0EC
24
Ary hoy Izy taminy: Ity no rako amin'ny fanekena,izay alatsaka hamonjy ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21E467C6-FFEA-4E51-AABC-6C450B433244
25
Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pihavin'ny andro hisotroako izay vaovao any amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84906638-3714-4316-8972-EF3218592789
26
Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80B37FEB-B8F7-4996-84DA-1281C4BAE866
27
Ary hoy Jesosy taminy: Ho tafintohina avokoa hianareo rehetra; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry(Zak.13.7)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0E9CCDA-9B31-4178-8785-C35B6BAFC0B7
28
Fa rehefa mitsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3387E4B1-57DC-466B-85F2-CF2DF192AC94
29
Fa hoy Petera taminy: na dia ho tafintohina avokoa aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9949BE3-DDDD-4BCC-B5BA-7EB31509969F
30
Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio, dia amin'ity alina ity, raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A802D29-38D5-4E94-8689-C260538343D4
31
Fa vao mainka niteny mafy dia mafy izy hoe: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain'izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D4EC002-557F-49E9-A287-3D3F9BD9B883
32
Ary tonga tany amin'ny saha izay atao ho Getsemane izy; dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto hianareo mandra-pivavako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FFF19B6-A2CA-40D6-86D5-E60D4FC9F01C
33
Ary nitondra an'i Petera sy Jakoba sy Jaona Izy, dia talanjona sady ory indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF5AEA83-923C-407E-BB76-8C94BF81E35F
34
Ary hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miareta tory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10B6E509-8449-4F34-8B16-ADD50A9A0155
35
Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka tamin'ny tany ka nivavaka mba hialan'izany ora izany aminy, raha azo atao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A585B199-F96E-4F14-B348-4EA8FBBEA265
36
Ary hoy Izy: Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68E08A65-B590-44FE-8DED-9D10F597A656
37
Ary avy Izy ka nahita azy ireo matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Ry Simona, matory va hianao? Tsy nahazaka niari-tory na dia ora iray ihany aza va hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD42E4F9-C94F-4695-981E-232551CC564C
38
Miareta tory hianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C53059A8-87EF-492F-B84F-2CCC5DF05E8E
39
Dia lasa indray Izy ka nivavaka nanao ilay teny teo ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB1F0553-869D-4520-9414-3B12F02C7FE7
40
Ary nony niverina indray Izy, dia nahita azy matory, fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitany izay havaliny Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBCB1C15-7A48-4934-94B2-53180DBFE5F3
41
Ary avy fanintelony Izy, dia nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra hianareo. Aoka izay; efa tonga ny ora; indro, ny Zanak'olona hatolotra eo an-tànan'ny mpanota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58922F59-898F-495A-A3E3-2525282D8952
42
Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7284A234-DA3B-4015-9895-204C8BB14CA4
43
Ary niaraka tamin'izay, raha mbola niteny Izy, dia avy Jodasy, isan'ny roa ambin'ny folo lahy, sady nisy vahoaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4A7ABF2-70D3-4B51-BFC6-D7E5E1036F5C
44
Ary ilay hamadika Azy efa nanome famantarana ireo ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento, fa aza avela ho afaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52CAD380-07C4-4EBB-9EA8-5A9697F8B05E
45
Ary rehefa tonga izy, dia nanatona an'i Jesosy niaraka tamin'izay ka nanao hoe: Raby ô! dia nanoroka Azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0409DC0-8104-4FBD-9D56-8813D8F4D0DF
46
Ary ny olona naninjitra ny tànany taminy ka nisambotra Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17B37A79-F808-40C6-B20D-EEB60EB1200F
47
Ary ny anankiray tamin'izay teo anilany nanatsoaka ny sabany, dia nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A4F4873-914B-4711-87C0-8D5699EABBFA
48
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va hianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB214B1B-2A7B-4F07-BB1B-94DAAE8D37C4
49
Teo aminareo isan-andro Aho nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly, nefa tsy nisambotra Ahy hianareo; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B1C9F00-ED96-4C74-9054-A656D46E3F16
50
Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBBDF21F-B18E-41A6-B4F9-94410995A290
51
Ary nisy zatovo anankiray nanaraka Azy, ka lamba hariry madinika fotsiny ihany no fitafiany, ary nosamborin'ny olona teo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E978556B-081D-4E82-B813-1BD7456173DE
52
Dia navelany teny aminy ny lambany hariry madinika, ka nandositra nitanjaka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB1C051E-ADC3-440D-9CBE-B69185A28BD2
53
Ary nitondra an'i Jesosy ho any amin'ny mpisoronabe izy; ary niangona teo aminy ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90E72C4D-DF34-4022-8273-C2097EF04E4D
54
Ary Petera efa nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin'ny kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe; ary niara-nipetraka teo amin'ny mpiandry raharaha izy ka namindro teo anilan'ny afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|533F09C2-F7C4-4FAF-89B0-5E7F7FA9D9E2
55
Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra nitady vavolombelona hiampanga an'i Jesosy hamonoany Azy, nefa tsy nahita .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16BEEF77-BF1B-4B47-BB1E-AEA1E87769B2
56
Fa maro no niampanga lainga Azy, nefa tsy nifanaraka ny fiampangany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63315E37-9BD8-4897-91AB-392F678A7AC3
57
Ary nitsangana ny sasany, dia niampanga lainga Azy nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8AF1F16-C3AD-474E-906B-C547B71B08EC
58
Izahay efa nandre Azy nanao hoe: Izaho handrava ity tempoly nataon-tànana ity, ary amin'ny hateloana dia hanangana hafa izay tsy nataon-tànana Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBE7AE21-8649-43E1-BEE7-F2B22F6E36EC
59
Fa tsy nifanaraka ny filàzany na dia tamin'izany aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD128B23-79E9-49CC-BB0A-C7630EB0C91E
60
Ary ny mpisoronabe nitsangana nankeo afovoany, dia nanontany an'i Jesosy ka nanao hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan'ireto Anao!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19A78F17-9FFC-4B95-9CDD-0F286D14DB0A
61
Fa tsy niteny Jesosy sady tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisoronabe ka nanao taminy hoe: Hianao va no Kristy, Zanaky ny Isaorana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE47D19D-A0FC-42A7-B9B9-463D10E243A1
62
Ary hoy Jesosy: Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo ankavanan'ny Hery sady avy eo amin'ny rahon'ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E12A3BB5-934B-451F-A790-8444C7531271
63
Ary ny mpisoronabe nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F506905B-D600-45A1-8498-0B4607C8942F
64
Efa renareo ny fitenenany ratsy;ahoana no hevitrareo? Dia nataon'izy rehetra fa miendrika ho faty Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7070FF03-AF43-4E11-98E4-E46FD100B9F3
65
Ary ny sasany nandrora Azy, dia nanarona ny tavany sady namely tahamaina Azy ka nanao hoe: Maminania; ary ny mpiandry raharaha namely tahamainaAzy koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B74599C7-B995-4C12-8F5F-F1A5F9A6186B
66
Ary raha nitoetra teo ambany teo an-kianja Petera, dia avy ny anankiray tamin'ny ankizivavin'ny mpisoronabe;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44F23788-25FA-4F0F-95A1-9BA2063A2D97
67
ary nony nahita an'i Petera namindro izy dia nijery azy ka nanao hoe: Hianao koa nomba an'i Jesosy avy any Nazareta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0180044A-8C97-4F08-B5DD-83D2D0F7FE7C
68
Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsy fantatro sady tsy azoko ny teninao. Dia niala ho eo am-bavahady izy, ary nisy akoho naneno.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|085D4C7F-DABA-490C-81A9-BC2EBE30F0AF
69
Ary ilay ankizivavy nahita azy indray, dia niteny tamin'izay teo anilany hoe: Io lehilahy io mba naman'ireny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E3DF6F4-89B9-46D6-A384-2496EFB60394
70
fa izy nandà indray. Ary nony afaka kelikey, izay teo anilany koa dia nilaza tamn'i Petera hoe: Naman'ireo tokoa hianao; fa Galiliana hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4B0533F-842F-4B4A-B464-972AF6537598
71
Dia niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy lazainareo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B9884DD-CB2F-4401-9DAC-32D9244EB89F
72
Ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno fanindroany. Ary Petera nahatsiaro ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo hianao. Ary nony nieritreritra izany izy, dia nitomany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDF40DE2-793C-4049-8CE7-D9CAE64FDFA1
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany