Marka 15: 1-47
Toriteny na fanazavàna - "Que feras-tu de Jésus?" 
Toriteny na fanazavàna - "L'importance de la Croix" 

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary niaraka tamin'izay raha vao maraina ny andro, ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin'ny Synedriona rehetra dia niara-nisaina ary namatotra an'i Jesosy ka nitondra Azy, dia nanolotra Azy teo amin'i Pilato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14C3423D-762D-4342-ABA8-555A21038BBC
2
Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Voalazanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5A889F6-7012-428F-80EC-554599C43646
3
Ary ny lohan'ny mpisorona niampanga Azy zavatra maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6201175A-D517-4EDC-A4F4-436FFC3D9B53
4
Ary Pilato dia nanontany Azy indray hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? He! Izao hamaroan'ny zavatra iampangany Anao izao!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42F4F7B7-C1F2-4FC7-AC9D-AC862893190A
5
Fa Jesosy tsy namaly intsony, na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga Pilato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F20D1B7-3DF9-4341-BE2C-A95791B77E9C
6
Ary isaky ny avy ny andro firavoravoana dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray izay angatahin'ny vahoaka .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35C1933F-5999-4A18-B968-E54354B9DBAD
7
Ary nisy anankiray izay atao hoe Barabasy, nifatotra tao mbamin'ny mpikomy sasany, izay efa nahafaty olona tamin'ny fikomiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EC2D3FF-BAA5-4818-8347-6B376F3E5AC8
8
Ary ny vahoaka niakatra ka nangataka azy hanao araka izay fanaony aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5145C65B-E5D2-405A-AD19-150BE4C81275
9
Fa Pilato namaly azy ka nanao hoe: Tianareo va raha ny Mpanjakan'ny Jiosy no halefako ho anareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F833EEB9-AC90-41CA-8133-21C4098B9BF5
10
Fa fantany fa fialonana no nanoloran'ny lohan'ny mpisorona Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B21E558E-FF7B-42A9-8916-068062B19C83
11
Fa ny lohan'ny mpisorona nanome fo ny vahoaka, fa aleo Barabasy no halefan'i Pilato ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A62C842-96EA-4662-B22E-5E0F957AE299
12
Ary Pilato namaly ka nanao taminy indray hoe: Ka inona ary no hataoko amin'ilay ataonareo hoe: Mpanjakan'ny Jiosy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10A95282-14D2-4C92-93B0-2D41EC862EF5
13
Ary ny vahoaka niantso indray hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2DDFEDD-3CAF-4899-B17A-D46A66419757
14
Ary hoy Pilato taminy: Fa inona moa no ratsy nataony? Nefa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14832635-7DF7-4EDC-8F16-B12FD71AA19B
15
Ary Pilato ta-hahazo sitraka tamin'ny vahoaka, ka dia nandefa an'i Barabasy ho azy; fa Jesosy nasainy nokapohina,dia natolony azy mba hohomboana amin'ny hazo fijaliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9537FBF0-854D-4E0D-84DA-5D09369BF878
16
Ary ny miaramila nitondra an'i Jesosy ho eo an-kianja, dia ao anati-rova,sady nanangona ny miaramila namany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0EC91DF5-EE1A-4B4F-8A75-195B224D3696
17
Ary dia nampitafy Azy lamba volomparasy izy, sady nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC46BAA7-B054-41E2-A66E-D5E40BC79C82
18
Ary dia niarahaba Azy hoe izy: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E141F20F-AE80-44C5-8917-54AC4C5D856B
19
Ary dia nikapoka ny lohany tamin'ny volotara izy sady nandrora Azy, dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8BA17CE-31DB-45A8-BADA-866940D3BFAD
20
Ary rehefa nanao Azy ho fihomehezana izy, dia nanala ilay lamba volomparasy teny aminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany; ary dia nentiny hohomboany amin'ny hazo fijaliana Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F85A5A48-0846-483F-8638-495A533088B7
21
Ary Simona Kyreniana (rain'i Aleksandro sy Rofosy), izay nandalo avy tany an-tsaha, no notereny hitondra ny hazo fijalian'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22951D76-2962-48FD-8B0A-7776A43C92B0
22
Ary Jesosy dia nentiny teo amin'ny tany Golgota, izany hoe, raha adika, Fitoeran-karan-doha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|278E0A46-BFF7-4C62-BFFE-22E325AD2966
23
Dia notolorany divay miharo miora Izy; nefa tsy nety nisotro Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9A3D673-6411-48EB-808C-AC5A9D4156B8
24
Ary rehefa voahombony tamin'ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|236C2738-8D85-4482-ADC0-98A64603A153
25
Ary tamin'ny ora fahatelo no nanomboany Azy tamin'ny hazo fijaliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C990D2E0-33A9-4E16-BECA-95B98054413C
26
Ary ny soratra milaza ny nanamelohana Azy dia voasoratra teo amboniny hoe: MPANJAKAN'NY JIOSY.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A84E52E7-E048-4FAF-9C63-598231E9ED43
27
Ary nisy jiolahy roa nohomboany tamin'ny hazo fijaliana koa, ny anankiray teo amin'ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin'ny ankaviany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7092993D-29F8-431A-B482-380103851784
28
Dia tanteraka ny Soratra Masina izay manao hoe: Ary natao ho isan'ny mpanota Izy(Isa.53.12)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0789A7B6-57E9-4EF3-A796-5278759E4F3D
29
Ary izay nandalo dia niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ka nanao hoe: Hià! ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy amin'ny hateloana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|385C00A1-941D-471C-809B-7E9CADFFEB5C
30
vonjeo ny tenanao, ka midina hiala amin'ny hazo fijaliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE883286-0AF5-4161-B34F-29DAE1B035B9
31
Ary toy izany koa no faneson'ny lohan'ny mpisorona, fa niresaka izy sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C618CA90-B38C-40B2-A5A2-8CA25934530E
32
Aoka Kristy, Mpanjakan'ny Isiraely, hidina hiala amin'ny hazo fijaliana ankehitriny mba ho hitantsika ka hinoantsika. Ary ireo niaraka nohomboana taminy tamin'ny hazo fijaliana dia naneso Azy koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99C361F4-8149-4B8F-9349-E701EDDD382E
33
Ary nony tamin'ny ora fahenina, dia tonga maizina ny tany rehetra, ka naharitra hatramin'ny ora fahasivy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59264C1A-E245-4C1C-8BBF-6FAAC87681F3
34
Ary tamin'ny ora fahasivy Jesosy dia niantso tamin'ny feo mahery ka nanao hoe: Eloy, Eloy, lamà sabaktany! Izany hoe, raha adika: Andriamanitro ô, Andriamnitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao? (Sal.22.2)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69FBDD23-14B1-4F10-BDBC-279AF9F756DA
35
Ary ny sasany izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Indro, miantso an'i Elia Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|849290FE-20E3-414E-94F5-A06D487315E0
36
Ary ny anankiray nihazakazaka, dia nanatsoboka sipaonjy tamin'ny vinaingitra, ka notohiziny tamin'ny volotara, dia natohony hotsentsefin'i Jesosy, fa hoy izy: Aoka hoe hizahantsika na ho avy hampidina Azy Elia, na tsia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00B452EB-6C0D-4202-8F8E-72EAB5610121
37
Ary Jesosy niantso tamin'ny feo mahery, dia afaka ny ainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AA3628D-6950-4178-B603-21DF960B8CF7
38
Ary ny efitra lamba tao amin'ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8AF3266-45B9-4C4D-8975-5F3EC1106C33
39
Ary ny kapiteny izay nijanona tandrifiny, raha nahita fa afaka toy izany ny ainy, dia nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak'Andriamanitra io Lehilahy io.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DD2E8AC-9AE9-40FE-84E3-70E63C297DF8
40
Ary nisy vehivavy koa nitsinjo teny lavidavitra eny, ary isan'ireny Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin'i Jakoba kely sy Josesy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|738B90C4-F3CB-49F1-8080-BA6D7B3913E1
41
izay nanaraka Azy ka nanompo Azy, fony Izy tany Galilia, mbamin'ny vehivavy maro koa izay niaraka taminy niakatra tany Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F8FC349-9C73-44B5-83E9-0CCF2540304E
42
Ary nony hariva (satria andro fiomanana ny andro, dia ny andro alohan'ny Sabata),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4370007-DEE3-4093-8B65-591EF0188244
43
dia avy Josefa avy any Arimatia, lehilahy manan-kaja, izay isan'ny Synedriona sady niandry ny fanjakan'Andriamanitra koa; ary sahy niditra tao amin'i Pilato izy ka nangataka ny fatin'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55204994-DE76-4416-BF68-873C1B28C8B4
44
Ary gaga Pilato raha maty sahady Jesosy, ka dia niantso ny kapiteny hankao aminy izy ka nanontaniany azy na efa maty ela Izy, na tsia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBEBBF1B-D1D5-4F2A-B22F-A01CD63E44E9
45
Ary rehefa nahare tamin'ny kapiteny izy, dia nomeny an'i Josefa ny faty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|303EB89B-2C86-4F71-A67D-B2ACF8703F3C
46
Ary izy nividy hariry madinika, dia nampidininy ny fatin'i Jesosy ka nofonosiny hariry madinika, ary naleviny tao amin'ny fasana, izay nolavahana tamin'ny vatolampy, dia nanakodia vato ho eo amin'ny varavaran'ny fasana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A23AD365-8839-48F4-B4C0-4C84AE9B6D7B
47
Ary Maria Magdalena sy Maria, renin'i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2ADC98B-CEA3-47C4-8E24-A0C62BC0750F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany