Marka 16: 1-11
Toriteny na fanazavàna - "Amour et confiance" 
Toriteny na fanazavàna - "Partager la Bonne Nouvelle" 

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa afaka ny andro Sabata, dia lasa nividy zava-manitra Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin'i Jakoba, mba handeha hanosotra ny fatin'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D90F5A6-EF5E-4CF4-81EC-59F509A6DA50
2
Ary nony maraina koa tamin'ny voalohan'andro amin'ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro, dia nankany amin'ny fasana izy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9423BF19-D352-452F-B029-64436F9112F6
3
Ary niresaka hoe izy: Iza re no hanakodia ny vato ho afaka amin'ny varavaram-pasana hisolo antsika?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65B0F74E-7FCC-493F-953B-17468A2B49B6
4
Fa nony nitraka izy, dia, indro, hitany fa efa voakodia niala ny vato; fa lehibe dia lehibe ny vato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8400AC72-7192-47CB-8575-6FB1928A57B4
5
Ary raha niditra tao anatin'ny fasana izy, dia nahita zatovo anankiray nipetraka teo amin'ny ankavanana niankanjo akanjo fotsy dia talanjona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5B060A5-B1F8-45C7-A053-DDD544015E3D
6
Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an'i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, hianareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy, jereo fa teo no nametrahany Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC9910F5-DA9F-448D-AFA6-0C5C5BBAD20C
7
Fa mandehana, lazao amin'ny mpianany sy Petera fa mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy, araka izay nolazainy taminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DDD3FEB-00D4-4590-865C-53FE8C92BA9A
8
Dia nivoaka izy ka lasa nandositra niala tamin'ny fasana, fa tora-kovitra sady talanjona izy; ary tsy mba nilaza na inona na inona izy, satria natahotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03D25900-1E53-4880-9505-036B5E2747FB
9
Ary rehefa nitsangana tamin'ny marain'ny andro voalohany amin'ny herinandro Jesosy, dia niseho voalohany tamin'i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9040F32A-744A-43EE-A061-0BB182B1FC19
10
Ary Maria nandeha ka nilaza tamin'ireo efa nomba an'i Jesosy, izay mbola nisaona sy nitomany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20044790-5AE5-47FB-82F6-6F0F32512AF8
11
Ary izy ireo, na dia nandre aza fa velona Izy sady efa hitan-dravehivavy, dia mbola tsy nety nino ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD933C40-96F6-49A3-8B58-C612973E2A83
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany