Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nony niditra tao Kapernaomy indray Izy, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|247A7671-6AE3-4A01-8073-B38DBADE0F61
2
ka dia tafangona ny maro, ka tsy nisy hitoerana intsony, na dia teny anoloan'ny varavarana aza; ary Izy nitory ny teny taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37AC0BDF-709A-4B30-8E20-CD5D7AC98BC9
3
Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin'ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain'efa-dahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9783ED00-A6CE-49FC-BB81-80AF66E52F3F
4
Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon'ny trano nitoeran'i Jesosy, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian'ilay mararin'ny paralysisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|152275DD-63F5-4015-ADEB-A16F6BA6ED8A
5
Ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|942D41F3-3890-4B3A-B984-EC426A59ED3D
6
Ary nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nieritreritra tao am-pony hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C416598-9466-459E-ADE4-5AF4BF57E60A
7
Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CD08B79-E26D-4FAF-A6F3-5DEEAABA3348
8
Ary niaraka tamin'izay Jesosy dia nahalala tao am-panahiny fa nieritreritra izany tao am-pony ireo, dia hoy Izy taminy: Nahoana hianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9985C009-BFDD-4FB5-8428-CA419376C25B
9
Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao; ka mandehana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9169063E-DCCF-48B3-8BA6-95C3BCFF049B
10
Fa mba ho fantrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana ety ambonin'ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao (hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa):
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D858EA9A-23FE-42A9-B4ED-A6D83D33365E
11
Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F1392DF-4826-4459-81DF-670376C0BBB1
12
Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin'izay ary niala teo anatrehan'ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4D75526-3DE1-415D-98EA-8C6E2D8659C7
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany