Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary niditra tao amin'ny synagoga indray Jesosy; ary nisy lehilahy anankiray matytànana teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6374DA0E-40C2-4E0E-932A-4C55DFED2092
2
Ary nizaha taratra Azy ny olona, na hahasitrana io amin'ny Sabata Izy, na tsia, mba hiampangany Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4778857C-35DA-4E92-9C24-4C5DC76E8B40
3
Dia hoy Jesosy tamin'ilay lehilahy matytànana: Mitsangàna etsy afovoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CDE89D6-9571-45DE-A6ED-389249540041
4
Ary hoy koa Izy tamin'ny olona: Inona moa no mety hatao amin'ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy? Ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty? Fa tsy nety niteny ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46B084E7-D89C-4F8D-B7C0-49F4E92ED6EA
5
Ary nony nijerijery azy tamin'ny fahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin'ny fony, dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tànanao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|363365E7-908F-4CEE-A56E-5E2D32098FD3
6
Ary lasa nivoaka ny Fariseo, ka niaraka tamin'izay dia niray tetika tamin'ny Herodiana izy hanohitra an'i Jesosy mba hahafaty Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7579A489-2F18-45A9-B14D-5E5CAF37F695
7
Ary Jesosy mbamin'ny mpianany niala teo ka nankany amin'ny ranomasina; ary nisy olona maro avy tany Galilia nanaraka Azy; ary nisy olona maro koa avy tany Jodia
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9E23AD9-1E03-41E6-BA6D-BFEC042AF75A
8
sy Jerosalema sy Edoma sy tany an-dafin'i Jordana ary tamin'ny tany manodidina an'i Tyro sy Sidona nandre izay zavatra nataony, dia nankeo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB832E54-481A-4050-85D7-3353F070E499
9
Ary Izy nilaza tamin'ny mpianany mba hanisy sambokely hiandry Azy noho ny habetsahan'ny vahoaka, fandrao mifanety aminy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E299C0E2-E688-46D0-A38D-FAA315C5C620
10
Fa efa nahasitrana olona maro Izy, ka dia nifanety taminy mba hanendry Azy izay rehetra nanana aretina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2F3A3B4-4011-44A3-9E41-7CC2441FC7AF
11
Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy, dia niankohoka teo anatrehany ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA5F773D-2FDB-4EC7-A65F-5AE7A6606775
12
Ary nandrara azy mafy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CFEBAC4-DF98-4D3F-96E2-4C0860069931
13
Ary niakatra teo an-tendromohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo aminy. Dia nankeo aminy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46AB6217-0C04-44CF-A581-A1F8667A1C1C
14
Ary nanendry roa ambin'ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-teny
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B75731B-CECF-4F07-883A-4D53B53DDC8B
15
sady hanana fahefana hamoaka ny demonia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D65B7D8-8B2F-4789-85E6-51049C6A7E49
16
Ary Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91D64CE3-7EEE-4334-94B0-4E3BDE9FDD71
17
ary Jakoba, zanak'i Zebedio, sy Jaona, rahalahin'i Jakoba; izy mirahalahy dia nomeny anarana hafa koa hoe Boanerjesy, izany hoe Zana-baratra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|437B2740-2CB7-4D77-A9BD-56E1D52AD61C
18
ary Andrea sy Filipo sy Bartolomeo sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak'i Alfeo, sy Tadeo sy Simona Kananeana
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92AC9ABD-6D8F-49C2-8C4C-DC571604E1F6
19
ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A09A153-3157-4411-954C-F640AFABAA5E
20
Ary niditra tao an-trano Izy, dia niangona indray ny vahoaka, ka dia tsy nahazo nihinan-kanina akory Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAC8F6B2-C77F-42DA-AC50-395159ED11B8
21
Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76A5F6CE-517E-4EA4-B26C-ED7AECFF067D
22
Ary ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia nanao hoe: Manana an'i Belzeboba Izy, sy hoe: Ny lohan'ny demonia no amoahany ny demonia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A09C4152-780D-4F12-9C95-ADA1F6FBEF18
23
Ary rehefa niantso ireo hankeo aminy Izy, dia nanao fanoharana taminy hoe: Hataon'i Satana ahoana no famoaka an'i Satana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|191E2A87-1A9B-4623-BFA1-7772876C26CE
24
Fa raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|151B559E-643D-4B36-AFCC-90E70B72DE18
25
Ary raha misy mpiray trano miady an-trano, dia tsy haharitra izany mpiray trano izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBC5CE1B-7CD9-4A74-A3E4-D684A9630EDF
26
Ary raha Satana no mitsangana hanohitra ny tenany ka miady an-trano, dia tsy haharitra izy, fa ho rava ny heriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D75C947-9AAE-4BA8-9BC3-58B60EE44788
27
Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon'ny mahery ka handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, dia vao robainy ny ao an-tranony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEF94343-D49B-4078-9C0B-3C4DF2940852
28
Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak'olombelona amin'ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay ataony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33A3C047-0417-4758-83B6-8F6B7AA3AB3B
29
fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BC5FF42-ECCE-4CD4-8BBE-0050F0BD698F
30
satria ny olona nanao hoe: Azom-panahy maloto Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CABC852D-074C-4D78-A318-4DED20E60937
31
Ary avy ny reniny mbamin'ny rahalahiny ka nijanona teo ala-trano, dia naniraka tao aminy hiantso Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFC3A5AD-616E-4E0C-B481-C205AF367579
32
Ary ny vahoaka nipetraka manodidina Azy ka nanao taminy hoe: Indreo, ato ala-trano ny reninao sy ny rahalahinao mitady Anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82784954-A8E1-46C8-9F6E-E2A83EC25357
33
Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Iza no reniko sy rahalahiko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|595B23E8-4B48-4E14-AEB3-B5246D607D7D
34
Ary nony nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy, dia hoy Izy: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAA4855E-03A7-408C-BA45-A1EA64EB2BB1
35
Fa na iza na iza no manao ny sitrapon'Andriamanitra dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57B55EA0-95AD-4C45-A2A8-59B5B5252BDE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany