Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nampianatra teo amoron'ny ranomasina indray Jesosy; ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka teo amin'ny ranomasina; ary ny vahoaka rehetra dia teny an-tanety amoron-dranomasina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68B749E7-9D40-478B-A0CC-77861D5FE457
2
Ary nampianatra azy zavatra maro tamin'ny fanoharana Izy ka nilaza tamin'ny fampianarany azy hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E6D4CD0-D1A6-45BA-9C58-59669023417A
3
Mihainoa: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E28F004F-796D-485E-A0E8-FF881EE2084F
4
Ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana, dia avy ny vorona ka nandany izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C82F5F3-9CAB-46B0-8F13-F46787BB8449
5
Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BE900CE-9D28-4A4A-A567-025E2BBD0924
6
Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny, ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27F22475-A7C1-44CF-9945-9D66AAAEA32B
7
Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy, dia tsy namoa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84914617-6E68-45B4-BA19-ABD652C69530
8
Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, ary raha naniry sy namoa, dia vokatra, fa namoa: ny sasany avy telo-polo heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC6AC1F9-12DF-4E4E-9E2D-C6F606411D08
9
Ary hoy Izy: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E69641E1-6302-45C6-B626-3CDD133A8F12
10
Ary raha tao amin'ny mangingina Izy, dia nanontany Azy ny amin'ny fanoharana ireo nomba Azy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD28E37D-FC49-451B-9B37-A89E55FD1C67
11
Ary hoy Izy taminy: Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ireny izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin'ny fanoharana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BB74EE1-E2E2-4DEA-A3EF-372477DCF3BF
12
mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony(Isa.6.9.10).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CB8B675-D828-4E01-925C-AE3F032D87A8
13
Ary hoy Izy taminy: Tsy azonareo va ilay fanoharana teo? Koa hataonareo ahoana no fahafantatra ny fanoharana rehetra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10E0A8F4-D694-49DB-8D90-106EC51A8146
14
Ny mpamafy dia mamafy ny teny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|956CEA41-78F5-46DF-99A1-E100747B4881
15
Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin'izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2389E84E-270F-485A-AE8C-3F6D18D18599
16
Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin'ny hafaliana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00D967F5-5363-4B45-928C-11C75AB43F51
17
nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66B2BF4F-1E49-426C-BE52-5CF6644A0650
18
Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin'ny tsilo; dia ireo no ilay nandre ny teny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4253ADD1-BF97-4358-96D1-A223812D2A72
19
fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filana ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5344EC57-545D-419A-9978-FBEC2681A3AE
20
Ary ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy, dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4544683D-99B5-4C6F-9AED-6D4E11344D71
21
Ary hoy Izy taminy: Moa entina va ny jiro mba hasaronan'ny vata famarana, na hatao ao ambanin'ny farafara? Tsy hatao eo amin'ny fanaovan-jiro va izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50985F1B-425C-49B7-B432-E91F9EF83AFB
22
Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7780AB15-7D82-4AAB-874F-45AEE4287F1F
23
Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8BCDF01-C894-46CB-978D-51384044519A
24
Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC6D11AB-D18C-4653-964F-42886C1BB7AA
25
Fa izay manana no homena; ary ny amin'izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15CBD256-F5B1-4061-976D-A6DD103C88F5
26
Ary hoy Izy: Toy izao ny fanjakan'Andriamanitra: tahaka ny lehilahy mamafy voa amin'ny tany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|013FFF25-CD1E-4FFD-8EE5-F3AAB54F4ECC
27
ka matory sy mahatsiaro isan-alina sy isan-andro; ary ny voa dia mitsimoka ka maniry; nefa tsy fantany ny faniriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|506F8235-019C-4FB3-AAB1-7DA42D00D4EB
28
Fa ny tany mahavokatra ho azy: voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izay, dia feno voa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1FA570F6-1DCE-4656-9BA4-D9BE774112E9
29
Fa rehefa azo jinjana izy, dia jinjany miaraka amin'izay fa efa tonga ny fararano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C019DB77-CC67-49B7-A979-D68F08A77990
30
Ary hoy Izy: Ahoana no hanoharantsika ny fanjakan'Andriamanitra, ary inona no fanoharana hanoharantsika azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C98EFF0-0C96-44B0-AB04-09D7EE65D3F9
31
Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voa rehetra, raha vao afafy amin'ny tany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D458668A-7510-4917-91C6-5505C254214B
32
fa rehefa voafafy kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy, ka azon'ny voro-manidina itoerana ny alokalony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3ED846A0-2F3C-4094-88F3-19D56C69D26E
33
Ary fanoharana maro toy izany no nanambarany ny teny taminy, araka izay hainy hohenoina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4890570-9AF4-497F-A972-F3E81623ABC7
34
Ary raha tsy tamin'ny fanoharana dia tsy niteny taminy Izy; ary tamin'ny mangingina no nilazany tamin'ny mpianany ny hevitr'ireo rehetra ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A811D3DC-DD2E-42B4-8F04-1BA9F09F44B5
35
Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69221524-65F0-4068-87EE-9E7E4328D353
36
Ary rehefa nampodin'ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin'io sambokely io tamin'izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAF4916E-FC0C-42B0-9D8B-1F25290BBAFD
37
Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran'ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|174286BE-41AE-4A05-8A38-888D56508A71
38
Ary Jesosy natory teo am-bodin'ny sambokely tambonin'ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF7DDC0D-EF0F-47F5-81BD-A4ED92CDDC66
39
Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin'ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5E44CBD-834C-4688-94DD-FDA2FA5D73D4
40
Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola mana-pinoana va hianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5828BE0-87A4-438B-8D33-DFB16237A4CA
41
Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18BD5437-D5BF-45D6-8106-A0765CE7AD57
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany