Marka 5: 1-43
Toriteny na fanazavàna - "Ne crains pas, crois seulement." 

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tonga teny am-pitan'ny ranomasina tao amin'ny tanin'ny Gerasena izy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC66A3E1-C7CB-43F1-B383-A16BEB633C77
2
Ary nony niala teo an-tsambokely Izy, niaraka tamin'izay dia nisy lehilahy azom-panahy maloto nivoaka avy teny amin'ny fasana ka nifanena taminy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06926C65-0EFC-4965-A050-91BA67638749
3
fa nitoetra tao amin'ny fasana izy; ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin'ny gadra aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92B4CC48-D715-4CDB-A9A6-D6FBBB51459B
4
Fa efa nafatony matetika tamin'ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin'ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin'ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E17D2D8-7AB2-458E-AA2B-D1AF939E0C9A
5
Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin'ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena amin'ny vato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEF1D2C4-833F-4086-8382-6F25EC8D31DA
6
Fa nony nahita an'i Jesosy teny lavitra eny izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E326C39-D950-48EC-8DF8-6EB85D4FE04D
7
sady niantso tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra ô? Ampianianiko amin'Andriamanitra Hianao, aza mampijaly ahy, -
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47F8337F-2EB4-4CDE-B0B4-CF987EAD40F0
8
satria Jesosy efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin'ity lehilahy ity, ry fanahy maloto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D546FC6-32F3-47CF-B887-C3240DAB0407
9
Dia nanontany azy Jesosy hoe: Iza moa no anaranao? Ary izy namaly hoe: Legiona no anarako, satria maro izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34869E69-ED33-434D-AAD2-283ECCF714EF
10
Ary nifona mafy taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin'izany tany izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C96AF088-4C7F-4572-8D57-2BF57B2ADA73
11
Ary nisy kisoa maro andiany iray nandrasana teny akaikin'ny tendrombohitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A1A73C6-84AB-4168-B185-ABECCD9D54C7
12
Ary nifona taminy ireo ka nanao hoe: Alefaso izahay ho any anatin'ny kisoa mba hiditra any aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5AE3C0D2-12FE-4942-A88F-E3FC99A45516
13
Dia neken'i Jesosy. Ary ny fanahy maloto, rehefa nivoaka, dia niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina (tokony ho roa arivo no isany), ka dia maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD6B2233-EF21-4C0B-A68D-DE307673C4F0
14
Ary ny mpiandry azy dia nandositra ka nilaza tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia nandeha ny olona mba hizaha izany zavatra izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A26559B-7B7B-4839-8F24-CE5B775C91F8
15
ary tonga tany amin'i Jesosy izy ka nahita ilay demoniaka izay, nisy ny legiona, fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina; ka raiki-tahotra ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|627A45C3-5881-4C5B-8654-3DAB8C273EE9
16
Ary izay efa nahita dia nilazalaza tamin'ny olona izay natao tamin'ilay demoniaka sy ny amin'ny kisoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6900BB8A-A742-4476-9CDB-F72171162C6D
17
Ary nifona tamin'i Jesosy izy mba hiala amin'ny taniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDD41A09-CBC2-456B-879B-5786CCF6AE8D
18
Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C097B6DB-D7DA-4414-86BF-1F822615F3ED
19
Nefa tsy navelan'i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin'ny havanao; ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|830BB23A-80E4-40BF-AF2C-C5342FDA7027
20
Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon'i Jesosy taminy; ka dia gaga ny olona rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BED6D492-2D92-493E-A151-A924E17DD1FE
21
Ary rehefa nita an-tsambokely indray Jesosy ka tonga teny am-pita, dia nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy; ary teo amoron-dranomasina Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FBF6420-6BE7-406D-85DB-2C85897CDCB7
22
Dia avy ny anankiray tamin'ny mpanapaka ny synagoga, Jairo no anarany; ary rehefa nahita an'i Jesosy izy, dia niankohoka teo amin'ny tongony
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CEDA435-9E1B-4066-8CB8-4D333FF302AB
23
ka niangavy fatratra taminy hoe: Marary efa ho faty ny zanako-vavy kely; andeha re, mametraha ny tananao aminy, mba ho sitranaizy ka ho velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0921E11E-5FFC-4595-A444-4F2082377B1C
24
Dia nandeha niaraka taminy Izy; ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ka nifanety taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A59E4380-5047-4DBB-8F47-56FB39CB7CF9
25
Ary nisy vehivavy anankiray izay efa narary roa ambin'ny folo taona
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98815118-1A93-4C4B-863C-7A54A3A66FF5
26
sady efa niaritra zavatra be tamin'ny mpanao fanafody maro ka nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka nihanarary kokoa aza;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D4A9114-3456-4B8C-992B-2E3E85A2D36F
27
koa rehefa nahare ny amin'i Jesosy izy, dia nankeo ivohony namaky ny vahoaka ary nanendry ny lambany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92E92D6D-F6B6-44E3-BD33-D2B838B6A3D6
28
Fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitranaaho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E0AEAE1-B13A-4ABB-9949-005142987CA5
29
Ary niaraka tamin'izay dia ritra ny loharanon'aretiny,ka tsaroany tao amin'ny tenany fa sitrany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F930BF08-1E69-4167-B2E0-4C8F4AC5EC77
30
Ary niaraka tamin'izay dia fantatr'i Jesosy fa nisy hery niala taminy, dia nihodina teo afovoan'ny vahoaka Izy ka nanao hoe: Iza izany nanendry ny lambako izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42A2CF52-73A9-4C52-A340-A8FD40763466
31
Fa hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao, ka hoy Hianao va: Iza no nanendry Ahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDB828D7-0E2C-4A06-968C-98CE4AA38F1A
32
Ary nijery manodidina Izy hizaha ny vehivavy izay efa nanao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34AC1AC0-5CE5-4774-8255-12193B4C9C69
33
Fa raiki-tahotra sady tora-kovitra ravehivavy, satria fantany izay natao taminy, ka dia nankeo aminy izy ka niankohoka teo anatrehany ary nanambara taminy ny marina rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0EB36097-CB25-47FD-AA71-5C471C080F02
34
Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitranaanao; mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin'ny aretinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36E82758-9D18-4D04-9260-871BA991C91B
35
Raha mbola niteny Jesosy, dia nisy tonga avy tany amin'ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana hianao no mbola manahirana ny mpampianatra ihany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83AD8FC9-36BA-46FB-9842-5798E1E60F0A
36
Fa tsy nahoan'i Jesosy izany teny nataony izany, fahoy Izy tamin'ilay mpanapaka ny synagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E2CB607-2C5A-4672-AAA3-7A8EA42B543F
37
Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin'i Jakoba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5B0EA55-CFB2-4F4F-8F70-8B0FAFA2C0D9
38
Ary dia tonga tao an-tranon'ilay mpanapaka ny synagoga izy ireo, ka hitan'i Jesosy ny tabataba, dia ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F67A9011-034D-4773-BEBE-ECEB482EB08E
39
Ary rehefa niditra Izy, dia niteny taminy hoe: Nahoana hianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|350C3E03-39BE-48D6-A214-2EEFC859C132
40
Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFAEACD5-67F4-4015-80C4-63FC7B9FD8D4
41
Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe: raha adika: Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4E055D9-D9EA-428C-A10F-16E720C7B774
42
Dia nitsangana niaraka tamin'izay razazavavy ka afa-nandeha; fa efa roa ambin'ny folo taona izy. Ary niaraka tamin'izay dia talanjona indrindra ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B93412FB-E0E1-4CB1-AEA0-F080FA7850BD
43
Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr'olona izany; ary nasainy nomena hanina razazavavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|882BB261-9BD5-42CC-8BD5-98A6C142896F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany