Marka 6: 1-56
Toriteny na fanazavàna - "Qui est Celui-ci?" 
Toriteny na fanazavàna - "Qui est Celui-ci?(suite et fin)" 

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary niala teo Izy ka tonga tany amin'ny taniny, sady nanaraka Azy ny mpianany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBC99505-5A6C-40B9-8C20-0C60D592CEC6
2
Ary rehefa tonga ny Sabata, dia nampianatra tao amin'ny synagoga Izy; ary maro izay nihaino Azy dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Taiza no nahazoan'Ilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataon'ny tànany izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55BB904C-E610-420F-B2E9-A6BC0DBA9E7E
3
Tsy ilay mpandrafitra, zanak'i Maria, ary rahalahin'i Jakoba sy Josesy sy Jodasy sy Simona va Ilehity? Ary tsy ety amintsika va ireo anabaviny? Dia tafintohina taminy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08E1A4B5-A72C-4668-9C02-9F610F8B3DFB
4
Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina afa-tsy eo amin'ny taniny sy ny havany ary ny ankohonany ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56A08FAB-15ED-413E-B32C-9D9AAED8565A
5
Ary tsy nahazo nampiseho hery akory Izy teo, afa-tsy ny nametraka ny tànany tamin'ny olona marary vitsy foana ka nahasitrana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EF9A4D9-F956-4440-9553-8CBA0BAD2655
6
Ary gaga Izy noho ny tsi-finoany. Dia nitety ny vohitra manodidina Izy ka nampianatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE6D4020-32E3-404D-A8A6-DEF8AA974022
7
Ary niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90EC6CEF-FD71-4ACA-82D1-34FA4200C5E1
8
Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin'ny halehany, na hanina, na kitapo, na vola, ao amin'ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AD7639E-D9E6-4EF1-A941-2322A3326307
9
Fa asio kapa ny tongotrareo; ary aza mitondra akanjo roa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABD1D1A1-012E-457F-99D6-71A4475799FF
10
Ary hoy koa Izy taminy: Izay trano hidiranareo, dia mitoera ao mandra-pialanareo any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCF34142-6E32-4E61-AAD3-6BEFC12F9DE2
11
Ary izay tanàna tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino anareo, raha miala hianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78775D63-09A8-4B0B-B3D8-906D6A3DFC7E
12
Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E6D4EAA-6A42-4D1E-B391-7D97345F816F
13
Ary demonia maro no navoakany; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|462C8180-034F-4A2F-9601-AF5C06A5830D
14
Ary nahare izany Heroda mpanjaka (fa efa nalaza ny anaran'i Jesosy), dia hoy izy: Jaona Mpanao-batisa efa nitsangana tamin'ny maty izay, ka izany no ananany hery hanao ireo asa lehibe ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC764523-98CC-4F90-8AE9-F1EB0DE9C580
15
Fa hoy ny sasany: Elia Izy; ary hoy ny sasany: Mpaminany Izy, dia toy ny anankiray amin'ny mpaminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBAC45A1-365E-465C-905F-BE9F1B01AE25
16
Ary rehefa nahare izany Heroda, dia hoy izy: Jaona izay, ilay notapahiko ny lohany; efa nitsangana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85DCEFBF-F643-4017-AB86-7977459DF918
17
Fa Heroda ihany no naniraka sy nisambotra an'i Jaona ka namatotra azy tao an-trano-maizina noho ny amin'i Herodiasy, vadin'i Filipo rahalahiny; fa nanambady azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F525CCF-1030-4A0B-8D29-A1F20FBAA591
18
Fa Jaona efa nilaza tamin'i Heroda hoe: Diso hianao, raha manambady ny vadin'ny rahalahinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67425F68-9702-48B6-BDB2-C08E7F2FD12B
19
Ary Herodiasy dia nanao otri-po taminy ka naniry hahafaty azy, nefa tsy nahazo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DE41094-1A0B-4C9E-A737-6D2A8C1B30CA
20
Fa Heroda natahotra an'i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy, ka dia niaro azy izy; ary rehefa nandre azy izy, dia very hevitra be ihany;ary nihaino azy tamin'ny hafaliana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70D427B0-2D4D-48DC-A94A-62E15E54C824
21
Ary rehefa tonga izay andro antonona, dia ilay nanaovan'i Heroda fanasana ho an'ny lehibe sy ny mpifehy arivo ary ny loholona tany Galilia tamin'ny andro fahatsiarovana nynahaterahany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6299398-9022-41E0-AD09-2EEBC148A487
22
ka niditra ny zanakavavin'i Herodiasy ary nandihy ka nahafaly an'i Heroda mbamin'izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na inona, dia homeko anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE05042D-024A-4B27-B051-53928CCADC2D
23
Ary nianiana taminy hoe izy: Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakako aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13627E9D-5F9A-44F1-9BAF-3C432FFF3A1D
24
Dia nivoaka razazavavy ka nanao tamin-dreniny hoe: Inona no hangatahiko? Ary hoy reniny: Ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE3F8C42-D189-454E-939D-D7E00021AB28
25
Dia niditra faingana niaraka tamin'izay izy ho ao amin'ny mpanjaka ka nangataka hoe: Tiako raha homenao ahy faingana eto an-dovia ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E94016A-D682-4FAB-A818-4665A845A2F0
26
Dia nalahelo indrindra ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay nipetraka nihinana teo, dia tsy sahy nandà azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D4C05F3-D78E-4F4E-ABE9-05BA74AD8543
27
Ary niaraka tamin'izay ny mpanjaka dia naniraka mpiambina, ka nasainy nentiny ny lohan'i Jaona. Ary dia nandeha izy, ka notapahiny tao an-trano-maizina ny lohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|322FDE0D-BBEC-4875-AB7C-1D8D22B62857
28
Dia nentiny teo an-dovia ny lohany ka nomeny an-drazazavavy; ary razazavavy kosa dia nanome azy an-dreniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C8792D3-50B7-4B86-9496-1347D0233BB5
29
Ary rehefa nandre izany ny mpianany, dia tonga ka naka ny faty ary nandevina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6912077D-A22F-4D1E-85C1-5912FFDC7ADC
30
Ary ny Apostoly niangona teo amin'i Jesosy ka nilaza taminy izay rehetra efa nataony mbamin'izay nampianariny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|986CB177-5832-447D-9193-D86CB1A964CC
31
Ary hoy Jesosy taminy: Avia hianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely (fa maro no nifamoivoy, ka tsy nisy hihinanana aza).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1DD8447-E044-43FC-B9EE-F4C637D5638D
32
Dia nandeha an-tsambokely izy hitokana any an-tany foana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0C88D36-8320-4281-8BBC-2F8E60916BF5
33
Ary ny olona nahita azy mandeha, sady betsaka no nahalala an'i Jesosy, dia niala avy teny amin'ny tanàna rehetra ny olona ka nihazakazaka nandeha an-tanety,dia tonga talohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5631CFDF-29B7-4B66-8AF2-32B0CF1BA014
34
Ary nony niala Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4AE4383-2488-4B4D-9007-C3463C47627E
35
Ary rehefa hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany ka nanao hoe: Tany foana ity, ka efa hariva ny andro ankehitriny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|904FB2AD-68B1-47F8-ABB1-286046FDB6C6
36
ravao ny olona mba hankanesany eny an-tsaha sy eny amin'ny vohitra manodidina hividy hanina ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|733C53F1-2C8C-4978-8E2C-CDEF334BD64C
37
Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Omeonareo hanina izy. Fa hoy kosa izy ireo taminy: Handeha hividy mofo izay azon'ny denaria roan-jato va izahay, ka homenay azy hohaniny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84DF8B3F-5E1C-40D5-9CC6-676F61C79DA8
38
Fa hoy Izy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Andeha, izahao. Ary rehefa fantany, dia hoy izy: Dimy sy hazandrano roa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B499E61-B498-4CF7-BB65-33CA610D76E4
39
Dia nasain'i Jesosy nampipetraka ny olona rehetra hatao an-tokotokony eny ambonin'ny ahi-maitso izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBA29CE5-C19D-470B-B674-3A3F0B2EFCAA
40
Dia nipetraka an-tokony zato sy dimam-polo avy ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21F5250F-8715-431A-99BD-AAF517D748F0
41
Ary rehefa voarain'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ny mofo ka natolony ny mpianatra mba harosony eny anoloan'ny olona ary ny hazandrano roa nozarainy tamin'ny olona rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4176C09-A8A6-4BA3-93AB-27775AF473D9
42
Ary samy nihinana avokoa ny olona rehetra ka voky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D898F5A-99B8-43A8-9726-7DF2EBFA4CE3
43
Ary nangoniny izay sombintsombin'ny mofo sy ny hazandrano, ka dia nahafeno harona roa ambin'ny folo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|166DDCBF-491A-48E3-851A-D70ABCA73E1B
44
Ary izay nihinana ny mofo dia dimy arivo lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A33E77BE-8B0B-474A-A8AF-0BD8C10ACC39
45
Ary niaraka tamin'izay Jeososy dia nanery ny mpianany hiondrana an-tsambokely hita hialoha ho any Betsaida, mandra-pandràvany ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B872A77-CCA5-4690-BCFF-23DFC3383CB5
46
Ary rehefa nanao veloma ny olona Izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BC5CF61-83DB-44B8-AB30-9D5143E2CBA3
47
Ary nony hariva ny andro, dia efa mby teo ampovoan'ny ranomasina ny sambokely, ary Izy irery ihany no teo an-tanety.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|721E0B88-C9F5-4F9E-97C5-9F5CFA79B21A
48
Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, fa notohain'ny rivotra; ary tokony ho tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny aminy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Jesosy ka nikasa handalo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79129E34-6F77-4865-A31C-D5D7224EB98B
49
Ary rehefa hitany nitsangatsangana tambonin'ny ranomasina Izy, dia nataony ho matoatoa, ka niantso mafy izy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E890A416-2FF8-4CE9-9CB9-857330BDD4FD
50
Fa izy rehetra samy nahita Azy avokoa, ka dia raiki-tahotra. Ary Izy niteny taminy niaraka tamin'izay ka nanao taminy hoe: Matokia, fa Izaho ihany; aza matahotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F007E02-CF33-4713-AC4B-BF48BF60C0CB
51
Ary niakatra nankeo aminy teo an-tsambokely Izy; dia nitsahatra ny rivotra, ka dia talanjona izy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78EAD446-29F1-4AD9-8BD3-469D6CC179A6
52
Ary tsy fantany ny amin'ny mofo; fa efa mafy ny fony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C5067B9-939E-4F79-8D10-169D7D181DF5
53
Ary nony tafita izy, dia tonga teo amin'ny tany Genesareta ka niantsona teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B59A6198-2EE0-40BF-946C-D5BF385B683F
54
Ary raha niala teo an-tsambokely izy, dia nahalala an'i Jesosy niaraka tamin'izay ny olona teo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C9B6F79-3570-4137-83F0-E37BD37555D6
55
ka nihazakazaka tamin'izany tany rehetra izany ary nitondra ny marary tamin'ny fandriana ho any amin'izay reny fa nitoerany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69A9A762-0CAB-4225-AF19-88699AEDCADC
56
Ary na taiza na taiza no nidiran'i Jesosy, na tao amin'ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraka teo an-kianja ny marary, ary ny olona nangataka hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary sitranaizay rehetra nanendry Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6941A628-A290-402C-ABCB-4BD953741BD0
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany