Marka 6: 14-29
Toriteny na fanazavàna - "Qui est Celui-ci?" 
Toriteny na fanazavàna - "Qui est Celui-ci?(suite et fin)" 

Andininy
Protestanta Malagasy
14
Ary nahare izany Heroda mpanjaka (fa efa nalaza ny anaran'i Jesosy), dia hoy izy: Jaona Mpanao-batisa efa nitsangana tamin'ny maty izay, ka izany no ananany hery hanao ireo asa lehibe ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC764523-98CC-4F90-8AE9-F1EB0DE9C580
15
Fa hoy ny sasany: Elia Izy; ary hoy ny sasany: Mpaminany Izy, dia toy ny anankiray amin'ny mpaminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBAC45A1-365E-465C-905F-BE9F1B01AE25
16
Ary rehefa nahare izany Heroda, dia hoy izy: Jaona izay, ilay notapahiko ny lohany; efa nitsangana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85DCEFBF-F643-4017-AB86-7977459DF918
17
Fa Heroda ihany no naniraka sy nisambotra an'i Jaona ka namatotra azy tao an-trano-maizina noho ny amin'i Herodiasy, vadin'i Filipo rahalahiny; fa nanambady azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F525CCF-1030-4A0B-8D29-A1F20FBAA591
18
Fa Jaona efa nilaza tamin'i Heroda hoe: Diso hianao, raha manambady ny vadin'ny rahalahinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67425F68-9702-48B6-BDB2-C08E7F2FD12B
19
Ary Herodiasy dia nanao otri-po taminy ka naniry hahafaty azy, nefa tsy nahazo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DE41094-1A0B-4C9E-A737-6D2A8C1B30CA
20
Fa Heroda natahotra an'i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy, ka dia niaro azy izy; ary rehefa nandre azy izy, dia very hevitra be ihany;ary nihaino azy tamin'ny hafaliana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70D427B0-2D4D-48DC-A94A-62E15E54C824
21
Ary rehefa tonga izay andro antonona, dia ilay nanaovan'i Heroda fanasana ho an'ny lehibe sy ny mpifehy arivo ary ny loholona tany Galilia tamin'ny andro fahatsiarovana nynahaterahany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6299398-9022-41E0-AD09-2EEBC148A487
22
ka niditra ny zanakavavin'i Herodiasy ary nandihy ka nahafaly an'i Heroda mbamin'izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na inona, dia homeko anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE05042D-024A-4B27-B051-53928CCADC2D
23
Ary nianiana taminy hoe izy: Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakako aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13627E9D-5F9A-44F1-9BAF-3C432FFF3A1D
24
Dia nivoaka razazavavy ka nanao tamin-dreniny hoe: Inona no hangatahiko? Ary hoy reniny: Ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE3F8C42-D189-454E-939D-D7E00021AB28
25
Dia niditra faingana niaraka tamin'izay izy ho ao amin'ny mpanjaka ka nangataka hoe: Tiako raha homenao ahy faingana eto an-dovia ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E94016A-D682-4FAB-A818-4665A845A2F0
26
Dia nalahelo indrindra ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay nipetraka nihinana teo, dia tsy sahy nandà azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D4C05F3-D78E-4F4E-ABE9-05BA74AD8543
27
Ary niaraka tamin'izay ny mpanjaka dia naniraka mpiambina, ka nasainy nentiny ny lohan'i Jaona. Ary dia nandeha izy, ka notapahiny tao an-trano-maizina ny lohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|322FDE0D-BBEC-4875-AB7C-1D8D22B62857
28
Dia nentiny teo an-dovia ny lohany ka nomeny an-drazazavavy; ary razazavavy kosa dia nanome azy an-dreniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C8792D3-50B7-4B86-9496-1347D0233BB5
29
Ary rehefa nandre izany ny mpianany, dia tonga ka naka ny faty ary nandevina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6912077D-A22F-4D1E-85C1-5912FFDC7ADC
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany