Marka 7: 1-13
Toriteny na fanazavàna - "Jésus et les traditions" 
Toriteny na fanazavàna - "Jésus suscite la foi" 

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary niangona teo aminy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany, izay avy tany Jerosalema
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CE9E42A-DAD7-4FBB-8877-35E9B6D7CB8F
2
ka nahita ny mpianatra sasany fa nihina-kanina tamin'ny tànana tsy madio, izany hoe, tsy voasasa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|028D041A-00BA-4C86-9679-35189FE11C1B
3
(Fa ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra tsy mba mihinana, raha tsy efa manasa tsarany tànany, satria mitana ny fampianarana voatolotry ny razana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88DF72F2-A47D-4974-ACEE-C68E85CC834A
4
Ary raha avy any an-tsena, dia tsy mihinana izy, raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro koa izay noraisiny hotanana, dia ny manasa kapoaka sy famaranambamin'izay fanaka varahina.)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C460E65-64CC-46BF-AEE5-59749E022821
5
Dia nanontany Azy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka ny fampianarana voatolotry ny razana, fa mihinan-kanina amin'ny tànana tsy misasa izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|070645AA-B31F-4085-9660-EDD0D635ECEB
6
Fa Jesosy nanao taminy hoe: Marina ny naminanian'Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: "Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony, fa ny fony kosa lavitra Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|839CE38D-07E5-4510-B70A-AA80A95AE036
7
Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy"(Isa.29.13).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3119E816-B3B1-426B-8027-61E761ADBF6F
8
Mahafoy ny didin'Andriamanitra hianareo ka mitana ny fanaon'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEC13F6D-C573-4FA0-89DD-F9D25F578CC5
9
Ary hoy koa Izy taminy: Hay! Tsara ny nahafoizanareo ny didin'Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42BCE1A8-5531-435E-97C9-ABFE8131CDC1
10
Fa hoy Mosesy: Manajà ny rainao sy ny reninao(Eks.20.12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa(Eks.21.17).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E06A408-AC88-4F26-B6AE-6579227073B4
11
Fa hoy kosa hianareo: Raha misy olona milaza amin'ny rainy na amin'ny reniny hoe: Efa korbana (izany hoe, fanatitra ho an'Andriamanitra) izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35F4517E-AAC2-4486-82C5-95C0E4D38F91
12
dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an'ny rainy sy ny reniny intsony izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3350B6A2-F1CF-4C3E-BB26-2D93B2CE44CE
13
ka dia foananareo ny tenin'Andriamanitra amin'ny fampianarana voatolotra anareo, izay nasainareo hotandremana; ary zavatra maro mifanahatahaka amin'izany koa no ataonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C645164-CD7A-453A-AA5C-53EB97A068A5
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany