Marka 7: 1-37
Toriteny na fanazavàna - "Jésus et les traditions" 
Toriteny na fanazavàna - "Jésus suscite la foi" 

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary niangona teo aminy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany, izay avy tany Jerosalema
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CE9E42A-DAD7-4FBB-8877-35E9B6D7CB8F
2
ka nahita ny mpianatra sasany fa nihina-kanina tamin'ny tànana tsy madio, izany hoe, tsy voasasa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|028D041A-00BA-4C86-9679-35189FE11C1B
3
(Fa ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra tsy mba mihinana, raha tsy efa manasa tsarany tànany, satria mitana ny fampianarana voatolotry ny razana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88DF72F2-A47D-4974-ACEE-C68E85CC834A
4
Ary raha avy any an-tsena, dia tsy mihinana izy, raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro koa izay noraisiny hotanana, dia ny manasa kapoaka sy famaranambamin'izay fanaka varahina.)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C460E65-64CC-46BF-AEE5-59749E022821
5
Dia nanontany Azy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka ny fampianarana voatolotry ny razana, fa mihinan-kanina amin'ny tànana tsy misasa izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|070645AA-B31F-4085-9660-EDD0D635ECEB
6
Fa Jesosy nanao taminy hoe: Marina ny naminanian'Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: "Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony, fa ny fony kosa lavitra Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|839CE38D-07E5-4510-B70A-AA80A95AE036
7
Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy"(Isa.29.13).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3119E816-B3B1-426B-8027-61E761ADBF6F
8
Mahafoy ny didin'Andriamanitra hianareo ka mitana ny fanaon'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEC13F6D-C573-4FA0-89DD-F9D25F578CC5
9
Ary hoy koa Izy taminy: Hay! Tsara ny nahafoizanareo ny didin'Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42BCE1A8-5531-435E-97C9-ABFE8131CDC1
10
Fa hoy Mosesy: Manajà ny rainao sy ny reninao(Eks.20.12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa(Eks.21.17).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E06A408-AC88-4F26-B6AE-6579227073B4
11
Fa hoy kosa hianareo: Raha misy olona milaza amin'ny rainy na amin'ny reniny hoe: Efa korbana (izany hoe, fanatitra ho an'Andriamanitra) izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35F4517E-AAC2-4486-82C5-95C0E4D38F91
12
dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an'ny rainy sy ny reniny intsony izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3350B6A2-F1CF-4C3E-BB26-2D93B2CE44CE
13
ka dia foananareo ny tenin'Andriamanitra amin'ny fampianarana voatolotra anareo, izay nasainareo hotandremana; ary zavatra maro mifanahatahaka amin'izany koa no ataonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C645164-CD7A-453A-AA5C-53EB97A068A5
14
Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa Ahy hianareo rehetra, ka mahafantara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7F34937-53E7-4D4B-8BA3-7748E5C64CB1
15
Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD680305-EDC0-4105-8E9F-9967D9A0A3B9
16
Raha misy manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A33F0FC-451A-4A01-9420-028F17458ADB
17
Ary rehefa niala teo amin'ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany ny amin'izany fanoharana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F7A5D25-C946-453D-8EC2-86750D770782
18
Ary hoy Izy taminy: Hay! Hianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan'ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75091764-9EEC-4BA1-89C3-3B3365C5C4AB
19
satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin'ny fivoahana; izany no nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85FBAB44-10EE-47B5-AFBF-E3D9DE2DFA2C
20
Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin'ny olona dia izany no mahaloto azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB2AC7CA-7672-46B8-BE85-739D0C723B4C
21
Fa avy ao anatin'ny olona, dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4127590-492F-4593-964A-59E0293495D5
22
ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy,ny avonavona, ny fahadalana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1520A79-9173-434A-AF6B-CC953A54A9D4
23
izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D442227-06CD-4823-A99F-392DDB57D903
24
Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin'ny sisin-tanin'i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0435CB0-9351-4350-AFA6-0C73A75E5D7E
25
Fa niaraka tamin'izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zanani-vavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin'ny tongony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B76B3CCD-F32A-4323-AE28-483EF4A3F4E7
26
Ary jentilisa ravehivavy, avy amin'ny firenena Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba hamoaka ny demonia amin'ny zanani-vavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FC7C487-AA70-4B3B-ADDC-0AB115701C27
27
Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|562642EA-DE87-4F06-966A-D66D07636C57
28
Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko, kanefa na dia ny amboakely ao ambanin'ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin'ny mofon-jaza ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D8D65F0-02D2-4B0C-AF0C-F1216607CE55
29
Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany mandehana hianao; efa nivoaka tamin'ny zanakao-vavy ny demonia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9CC2BBF7-5AE8-478A-9FF3-3004E39D7CA2
30
Ary raha tonga tao an-tranony ravehivavy, dia hitany nandry teo ambonin'ny farafara ny zanani-vavy, ary ny demonia efa nivoaka taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D25D37B-D951-46D5-A683-12A796C6259F
31
Ary Jesosy niala indray tamin'ny sisin-tanin'i Tyro, dia namaky an'i Sidona sy ny tany Dekapolisy ka nankany amoron'ny Ranomasin'i Galilia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3268CF5-0F8F-46FF-A9D2-40B263EBAD99
32
Ary nisy marenina sady raiki-dela anankiray nentiny tany aminy, ka nangataka taminy ireo mba hametrahany tànana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3063BC22-6F8E-4035-A579-599F34F8A834
33
Ary nitondra an-dralehilahy nitanila niala teo amin'ny vahoaka Izy, dia nangarona ny sofiny tamin'ny rantsan-tànany, dia nandrora ka nanendry ny lelany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|137F5D2F-167D-4DD7-983A-7E0802934CB8
34
ary niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B89D1455-9AE4-4305-923A-67C998A1255D
35
Dia nalady ny sofiny, sady voavaha ny fatoran'ny lelany, ka dia nahateny tsara izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58B64EFC-0E1B-4E77-85C4-E9C81B9B81B2
36
Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilazalaza na amin'iza na amin'iza; fa na dia norarany aza izy, dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D13ABEB5-0702-452E-A297-5F027B58537F
37
Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe: Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampahalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD384BBE-B85C-45AC-B252-DA5C4385234F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany