Marka 7: 24-30
Toriteny na fanazavàna - "Jésus et les traditions" 
Toriteny na fanazavàna - "Jésus suscite la foi" 

Andininy
Protestanta Malagasy
24
Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin'ny sisin-tanin'i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0435CB0-9351-4350-AFA6-0C73A75E5D7E
25
Fa niaraka tamin'izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zanani-vavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin'ny tongony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B76B3CCD-F32A-4323-AE28-483EF4A3F4E7
26
Ary jentilisa ravehivavy, avy amin'ny firenena Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba hamoaka ny demonia amin'ny zanani-vavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FC7C487-AA70-4B3B-ADDC-0AB115701C27
27
Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|562642EA-DE87-4F06-966A-D66D07636C57
28
Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko, kanefa na dia ny amboakely ao ambanin'ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin'ny mofon-jaza ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D8D65F0-02D2-4B0C-AF0C-F1216607CE55
29
Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany mandehana hianao; efa nivoaka tamin'ny zanakao-vavy ny demonia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9CC2BBF7-5AE8-478A-9FF3-3004E39D7CA2
30
Ary raha tonga tao an-tranony ravehivavy, dia hitany nandry teo ambonin'ny farafara ny zanani-vavy, ary ny demonia efa nivoaka taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D25D37B-D951-46D5-A683-12A796C6259F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany