Marka 9: 1-50
Toriteny na fanazavàna - "Qui est le plus grand?" 

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary hoy Izy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra tonga amin'ny hery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3954FEC-0BE8-4EA1-BABE-99192ADBEF82
2
Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an'i Petera sy Jakoba ary Jaona ka nitondra azy nitokana niakatra ho any an-tendrombohitra avo anankiray; dia niova tarehy teo anatrehany Izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C034748-D5C0-40BB-9C6F-4F4DEE90C54E
3
ary ny fitafiany niova nanelatrelatra sady fotsy indrindra, ka tsy misy mpamotsy lamba ambonin'ny tany mahafotsy toy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A97EB58E-3965-4B4C-90B7-9B57EE508DC6
4
Ary Elia sy Mosesy niseho taminy ka niresaka tamin'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A0B1567-0645-46F2-B412-28C08B9D875E
5
Ary niteny Petera ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka hanao lay telo izahay: ny anankriray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C907EAF2-445E-460B-A1C4-9C55F7D110FA
6
Fa tsy fantany izay havaliny, satria efa raiki-tahotra izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CA6C324-4DE5-4D1A-849C-4F9D851D98CD
7
Ary nisy rahona niseho nanarona azy; ary dia nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|447E22A9-4CFD-4C07-A492-E334F50E96DA
8
Ary niaraka tamin'izay, nony nijery manodidina izy ireo, dia tsy nisy hitany intsony na iza na iza afa-tsy Jesosy irery ihany, Izay teo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD0D03C3-805E-4D5C-ADD7-12207CFA3B97
9
Ary nony nidina avy teo an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin'olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C304B1C8-09DE-48D2-853B-4C9DEEE55694
10
Ary nitana izany teny izany izy ka nifampaka saina ny amin'izay hevitr'izany fitsanganana amin'ny maty izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8C38741-44CC-4C94-ACAF-84CB2EE28D8C
11
Dia nanontany an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Lazain'ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2ABD0AC-87D3-463C-BB0C-89C89F841311
12
Ary Izy nanao taminy hoe: Elia dia avy aloha ihany ka mampody ny zavatra rehetra. Ary ahoana koa no nanoratana ny amin'ny Zanak'olona fa tsy maintsy mijaly mafy Izy ka hatao tsinontsinona?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E41791A-CD3D-4069-8DFC-496659190176
13
Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga Elia sady nataon'ny olona taminy izay sitraky ny fony araka ny nanoratana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1B87CF3-8FBC-4951-B919-0BE5F81E46B0
14
Ary nony tonga teo amin'ny mpianatra izy, dia nahita vahoaka betsaka manodidina azy sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E936E6D4-674D-4BFD-AB14-42B06F0A20AF
15
Ary niaraka tamin'izay, nony nahita Azy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1088F84D-9B19-4ECD-B38A-9BFAB9442319
16
Ary Izy nanontany azy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin'ireto?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9C77AB2-AA35-4FEB-BF92-E6C0E2F75D9A
17
Ary ny anankiray tamin'ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho ety aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30464364-B5DF-4DAF-A8CE-D4AF5EC1A04A
18
ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitsinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin'ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34194A1F-E18F-4876-B5B0-F980C924A19D
19
Ary Jesosy namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento ety amiko izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD8B9129-64B9-4C85-9943-5570DE4637D8
20
Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin'izay ny fanahy. Dia lavo tamin'ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67C890A8-37CA-43E4-86F5-31662C397CC7
21
Ary Jesosy nanontany an-drainy hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan'izao taminy? Ary hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57E6C7B0-2788-4FC6-9AED-EB1ACFCD03BF
22
Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B500FAC-FDC0-4E2D-922C-C3543F9186A2
23
Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D6CB217-D6D8-47DF-B4EC-79692660B4E6
24
Ary niaraka tamin'izay dia niantsony rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo aho ho afaka amin'ny tsi-finoako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1224D11-D0ED-4014-B606-C7A1EE404558
25
Ary nony hitan'i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F65CAAD-24B1-4F46-BDEA-DF32FF329936
26
Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon'ny maro hoe: Maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED3222C4-0757-47AC-9355-67E16F225F08
27
Fa Jesosy nandray ny tànany ka nanarina azy; dia nitsangana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DDFD085-0C20-400D-AA4B-94C9D9D01F89
28
Ary rehefa tonga tao an-trano Jesosy, dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: Izahaytsy nahavoaka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4023070D-C4DE-49D5-96AB-13C0C82CE805
29
Ary hoy Izy taminy: Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin'inona na amin'inona, afa-tsy amin'ny fivavahanaihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74E39DB5-A6BE-4F53-94CD-4767770DEEE1
30
Dia niala teo izy ka nizotra namaky an'i Galilia, ary tsy tian'i Jesosy ho fantatry ny olona izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E45A127-D8C3-44FE-A396-C1EE757BAA90
31
Fa nampianatra ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ny Zanak'olona dia hatolotra eo an-tànan'ny olona ka hovonoiny, ary rehefa voavono Izy, dia hitsangana rehefa afaka hateloana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C26DD7C-3848-40E4-9929-65D0695FD668
32
Fa izy ireo tsy nahafantatra izany teny izany sady natahotra hanontany Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7A1DCDE-53EC-48A5-A6C9-F10CAED1F12C
33
Ary tonga tao Kapernaomy izy; ary rehefa mby tao an-trano Jesosy, dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dàlana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6354146F-7CA3-4B5D-825B-DCA6650CEAA0
34
Fa tsy nahateny izy, satria efa niady hevitra teny an-dàlana izy ny amin'izay lehibe indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66A8A267-A86C-4EA3-8DDB-F17E774B47D1
35
Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin'ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompon'izy rehetra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDA3B535-B436-427C-A543-F4501D061518
36
Ary nandray zaza Izy ka nametraka azy teo afovoany; ary raha notrotroiny ilay zaza, dia hoy Izy tamin'ny mpianany:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CB7CC58-2005-4CF3-B18F-82D9166593AA
37
Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony amin'ny anarako, dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CBD44AF-46A9-40B1-B061-60297FC35F17
38
Ary hoy Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin'ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A8F4060-DB7C-46F8-BADF-9A7CD33544B8
39
Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin'ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2FBA380-3AAA-4961-A0BD-095C5B4C3D91
40
Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D312505D-8B59-473A-8EE1-A702ECB11801
41
Fa na iza na iza no manome anareo rano eran'ny kapoaka hosotroinareo, satria an'i Kristy hianareo, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEA06910-7CF3-4C0F-A3D1-98035C33462C
42
Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza amin'ireo madinika mino Ahy ireo, dia tsara ho azy, raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty ranomasina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9F334D2-1909-4DD4-8858-9A2140372073
43
Ary raha ny tànanao no manafintohina anao, tapaho izy, fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin'ny fiainana noho ny manana tànana roa, nefa hariana any amin'ny helo,dia any amin'ny afo tsy azo vonoina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEB0AE3F-C425-4A75-B83B-D4C55B1EE9D0
44
Any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F8F76F1-5557-49F7-979E-7FC36FB23725
45
Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin'ny helo,any amin'ny afo tsy azo vonoina
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEC1E6E8-1B7E-4BB6-B472-927F64AFAE5D
46
any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A4CBAE6-90D2-44D8-A14C-AA0A4BBFD9DB
47
Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fanjakan'Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C9FF3C6-AC16-4601-BB1A-03552A159E86
48
any ny kanakany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|839629D7-53D8-4FB1-A9F4-CDB5C1EAE490
49
Fa samy ho voasira amin'ny afo izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A59A68D-31C2-4CCD-B79D-CEE7F36C3107
50
Tsara ny sira, fa raha tonga matsatso izy, inona no ho entinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7939DE4-B60E-4F8A-BF65-150CE37226A6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany