Lioka 1: 13-17

Andininy
Protestanta Malagasy
13
Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44DFAB6F-65AD-471A-A3B3-0300E21B741D
14
Ary ho faly sy ho ravoravo hianao; ary maro no hifaly amin'ny hahaterahany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D130E48E-A37E-4CEF-AC40-671B855E8EB5
15
Fa ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0889EF8E-B50D-4451-B115-173142A3FAF6
16
Ary maro amin'ny Zanak'Isiraely no hampodiny amin'i Jehovah Andriamaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CC95434-42DE-44E7-AE72-6CA57CA390FC
17
Ary izy handeha eo alohany amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia mba hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny tsy manoa ho ami'ny fahendren'ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an'ny Tompo (Mal. 3. 23, 24).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81760E6B-0082-43D5-BB32-72650B7F4073
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany