Lioka 1: 26-35

Andininy
Protestanta Malagasy
26
Ary tamin'ny fahenim-bolana dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFA0FF07-72A8-4F06-9AF5-7EA807B439E9
27
ho any amin'ny virijina anankiray izay voafofo ho vadin'ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin'ny taranak'i Davida; ary ny anaran'ny virijina dia Maria.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFB0C7D2-EA19-4633-B983-3741E3BA9542
28
Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96B36769-68B9-4BAB-969D-74003D209241
29
Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay ho tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84EB3405-1149-49C9-A203-AF0EEBFF7A05
30
Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACB52F91-54A8-4E4D-BD41-EABC20A8B453
31
Ary, indro, hitoe-jaza hianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe JESOSY.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDD32CE5-5330-479C-B6B7-152C68958B99
32
Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra; ary Jehovah Andriamaniny hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0502F96D-0288-4496-9133-14BE23AE3FA6
33
ary hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|486DD89C-251F-4B5A-A639-0FEAFFB142D3
34
Ary hoy Maria tamin'ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1F020F8-441C-437E-B428-41AF871B5D51
35
Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin'ny Avo indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E9044F6-23D8-418F-B105-016C95EB4AD7
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany